Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|666288BA-018F-43A6-9FB7-6AFCF9BAC1FB
10
Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5B6B1C7-14AB-4931-8BA4-578A40CEEE9F
11
Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027F15BE-DE73-4572-9662-D38D6F7A736B
12
Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEA3F05-09D2-4BFA-A984-0C5F826758BB
13
Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C43A49CE-946F-4570-93B0-4003C0D76ABB
14
Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FEBF0AC-901D-4A6E-9882-EA4735AE3FB1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany