Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACD9A0B8-FCBD-45AE-8E8B-E66A6C9E66FF
2
Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30414A4B-3783-4BCD-A9F3-89B0C48D7527
3
Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74BE5AC1-C6B0-4E75-8359-4BF2864BBCB4
4
Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC5F87D8-7F1F-4BD7-9B63-C8D5A23329BB
5
Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE229DE5-17CF-4135-B3B6-8B23813663B3
6
Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F5B7252-0887-476D-9C95-84C7DEF63542
7
Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra*.[Na: na ny gorodony, na ny rihana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F1A877F-72F1-4CB4-9DCD-4A099241A1B7
8
Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73349B7D-0D04-449E-92E0-3CF5FE8C2F0D
9
Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF233BAB-3CEA-4ACE-B2CA-5FF089A273AB
10
Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC0D0783-F454-4624-934B-5E5AD6021813
11
Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA244895-7715-4B67-A326-F11F42A29681
12
ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A53567D9-E7D3-4F9C-A4DB-C13595435A01
13
Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93883D9A-9F55-4452-B478-B422A464D99A
14
Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64ACE0F9-92F9-4835-AEE1-FB39FA5EBEDD
15
Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy*.[Heb. ny faharoa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45A1FDA0-A6F2-4DA9-A4E0-41992BADCBED
16
Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08D21E27-EAB5-44B5-8E4D-1E133348AA96
17
ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDFC3667-DFF0-47BE-AA7B-8F84347B36F8
18
Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91736DC5-8724-4A1F-8B59-E86DF2691A60
19
Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23222C58-2182-4362-9880-B2CDF1E4BA34
20
ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0675236-E837-4B8E-89B4-1FEE98F3D938
21
Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina*; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza**. [*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E234978A-093A-4821-A967-14F0CD2E259E
22
Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C037274-F878-4EFB-BAFE-4CF0E0CEB860
23
Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E4263C-00E2-4F5E-971F-CE3D97E6C955
24
Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe* manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe*, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403A59E7-F54A-4C94-B7D9-E7BF79F746BB
25
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe* dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBCA4FA6-6865-4365-8708-62797F19FA99
26
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|395A56E0-4EEF-4A8C-8129-F631C3BC0252
27
Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7889EB46-4056-4C51-85A3-4AF1076899B7
28
Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E0FA9C-490E-4FC0-B73A-3E4E5940CC19
29
ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C07E075-BB89-452F-AB7D-6A61DEF1D99C
30
Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony* anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A625EEBC-0390-499C-AC2E-273B4C2029DC
31
Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|430C5184-26BE-42DE-AAC7-9C4A9AF05BEB
32
Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30D2F959-DE66-4D1B-B5B0-9BE02DEC933F
33
Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5B26998-ED86-4365-A2D2-70000616926E
34
Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0E0E40E-1EE9-46BD-8111-A0389D6B6AF7
35
Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A622679-10A5-4EE5-B5A9-97A116F7B3D1
36
Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia*, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A7A1E4B-B8CA-4205-B701-D3189C88FCD5
37
Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A43F0EC-4894-43AB-AE7D-AF62CEF1AA6B
38
Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9328AEB8-A1DB-4342-A727-09A5B4A069CA
39
Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe* nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007B37D8-39AB-4C70-8A1E-142A04834988
40
Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39D2B963-9A76-4C98-80AC-F9A38CF5E176
41
dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B5F1508-6D01-4111-BFB5-BA178D06CD57
42
ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47237FC9-F3FE-49BC-B2E8-0EFE63BB375E
43
ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73E1EDA3-418E-4764-8679-883E62F861D9
44
ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05BB31BF-369A-4EAD-8E3A-FA29C892344B
45
ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F361CF-85B0-4744-B166-B83A1A4B8703
46
Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FACEA750-9DE9-4BA1-8023-6F7782645B43
47
Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B7EC61F-4713-471F-9E48-991F0F107528
48
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|645517D9-4B38-4BD7-BE2A-41D3B02C2519
49
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|348CEBC7-73B2-4B1E-8DB6-4A472E2601A9
50
ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF94B111-5D49-411D-8359-0951029AEE99
51
Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C0C4A1E-85B2-4732-B7A1-8A75FBDF9677
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany