Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy, tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela -- dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba -- nanao hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|310A8E4F-25CA-4E7A-A68C-C52C884A0690
2
Ary raha tonga aty aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8466ACCE-3942-4B46-99E0-98432E46A04C
3
dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny tomponareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3437C7AB-A3C0-482B-AE5D-ACF206817CD6
4
Dia raiki-tahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe : Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|764C3098-B0E5-4017-960B-952D13389350
5
Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanàna ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe : Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BD0D8A5-9D5D-4C2B-A337-57F2C3596162
6
Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe : Raha ahy ary hianareo ka hankatô ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa aty amiko aty Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FACEBAB-2460-476E-9E6B-B1364E894EC0
7
Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany Jezirela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAFD8FA6-4CF8-4AB1-8D36-F7FCBCF052F2
8
Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe : Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho : Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B900C1B-9786-4FC6-A5A3-2DFD91733769
9
Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe : Marina hianareo, -- indro izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC422E6E-2648-4696-9CF1-6F655D543A4F
10
Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CADBEEED-1658-425D-8745-C5885F5282E7
11
Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorona koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B78EB417-81C2-467F-AC11-E6A06E2C3902
12
Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian'[Na: Bet-ekeda.] ny mpiandry ondry tany an-dàlana Jeho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1094A4FD-80B0-4CCF-BCB6-4CD65AB2E707
13
dia nifanena tamin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe : Iza ange hianareo ? Ary izy ireo namaly hoe : Rahalahin'i Ahazia izahay ary midina mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FC367F1-32DC-4E81-83E8-9CAEE11A2DAE
14
Ary hoy Jeho : Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana[Na: Bet-ekeda.] izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8D27B72-EA59-4051-9E5A-BF4DE990F01A
15
Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe : Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao ? Ary Jonadaba namaly hoe : Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tànana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A097EDA9-9470-4849-B6C1-56D4ED527173
16
Ary hoy Jeho : Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A42CA98-FAEF-4CFC-B1AD-2E6620420653
17
Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99E1524D-738B-4AFF-BE89-46910082096D
18
Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe : Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B387F76-11DF-4B8E-AF99-567F8C54EE3F
19
Koa ankehitriny vorio ho aty amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0779C3BE-A838-4651-A295-4DAEAE5ED72F
20
Ary hoy Jeho : Manendre[Heb. manamasìna.] fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry[Heb. nanamasina.] andro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0CE3D97-A883-4F61-A15A-1CBA5CFA0CD2
21
Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D299351C-89E5-40E9-8908-90146336360C
22
Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny fitafiana : Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36579956-C2A0-4219-922E-965D7A791FFF
23
Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny npanompon'i Bala hoe : Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C359F4A1-467A-451A-A130-EE139C527F1B
24
Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe : Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tànanareo, -- izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEE7A63-1ECF-4BE9-9F6A-0788BAA82FA5
25
Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza : Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76B3B06B-4518-4DA6-915B-CCCC82169173
26
Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'Bala izy ka nandoro ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD0EEC76-6860-4C1F-BD5E-839D4AF108B5
27
Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka andro-any izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC01EB42-ADD0-4277-A111-49727CC1BF28
28
Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|656FDC16-7695-4E8B-8944-D8FE15CEFB2B
29
Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EB8D4A-AF38-438A-AB44-816F6D18E39F
30
Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho : Satria nanao soa hianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatran'ny zafindohalika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F13DC46A-92A8-4980-9B71-BFD98E7E3C40
31
Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A235F13C-56CF-4445-9540-69D14376B5B2
32
Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|680A522C-D915-4FD4-80C9-45A62FBDBDF8
33
hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B16350C3-4D34-4058-BE53-D9358D8AAC39
34
Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D454128-235D-41E4-80F5-E671B9B19A26
35
Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06FE2E56-3528-42A4-A666-2C5FE78063A6
36
Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|350E7EC2-5250-46E3-BDAB-34A693BB0071
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany