Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF582E1-0E05-451D-B76B-431C119526E0
2
Fa Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E29E3237-E566-4BC8-8FB9-9C0FEEA186F8
3
Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|374E9434-01CC-47A3-A821-48C34726C613
4
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo[Heb. kariana.] sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A22209F-41A3-42CC-9374-C42AC6EBFDA8
5
Ary izy nandidy azy hoe : Izao no hataonareo : Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3135D6-E5F9-4E74-9E40-E58CA8CE0EF9
6
ary ny ampahatelony ho eo ambavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano hianareo ka hiaro azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67DAE1E-AC66-4A44-9852-4FDB220D9AB0
7
Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|129EB176-A138-461E-B7F7-8FF75B3E2AC3
8
Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka hianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F6B89CB-6649-492A-A6FA-0BA264554FC0
9
Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61E8930D-547B-4FAE-B983-1413425C5BB8
10
Ary ny kapiteny nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao an-traton'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EDEA82C-686A-4611-A01D-2091C7EB6888
11
Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB5B1FF9-917D-4490-9064-1F15DD394E03
12
Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanaka-lahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; [ Dia ny Didy Folo ] ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe : Ho ela velona anie ny mpanjaka !
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B36B1C76-F05A-4483-A5FC-A93395A62809
13
Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89FFE296-FAC3-4AEA-8846-E188091FEB5B
14
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe : Fikomiana ! fikomiana !
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A47A1F0C-3210-4FCC-A061-45C2E9AE3F38
15
Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe : Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe : Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18F5EDFB-419E-48A1-9E21-AEA63B002F7F
16
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny làlana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA1B05E2-8190-4A2B-8CC5-5B5A5D512B99
17
Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C45ED98F-306B-4D09-8144-E3C2E36CF441
18
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|537CF7B1-6A90-4804-BB1A-B81643572E73
19
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo[Heb. Kariana.] sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA899DC9-B627-456E-83AB-6593907A6953
20
Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna. Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EE4B95B-77E5-4A08-9558-EAA55DD418A1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany