Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza. zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90966C1B-471A-4CE3-A502-65F2320A72A7
2
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8128CDC-6B7C-4C03-9ED1-56CC82820C04
3
Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandra-kariva izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18FE0333-7E65-4879-98E3-6753F9EBDAC7
4
Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E9506A6-5C14-406D-853B-48EADD3788CB
5
Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka amin'ny tànan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|499F0C32-EEC4-4548-B331-3E4D538E9853
6
Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha[ Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny. ] aza dia mbola tao Samaria ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|392CEDB0-3F1E-4820-946A-8C54B5B9AD93
7
Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27C09209-8BCA-4592-9750-EBA7C41BF8DC
8
Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B025C96-A11E-4E56-8397-4083413E12CE
9
Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21BB568C-C0B5-4E52-99A2-2C517268F80E
10
Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4D98A4B-4091-4F92-8FC8-9DEF4B65607F
11
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D890EF4A-D26A-402D-8E61-4823C3D4405A
12
Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72A2199C-3C15-4ADC-A1B5-1CFE8E4291C3
13
Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|456AD0E9-ADE8-468B-BA90-775525D43205
14
Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe : Ry ikaky ô, ry ikaky ô, e ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny !
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|338A91F3-EF6F-478B-8C3C-55A5DAB3F215
15
Ary hoy Elisa taminy : Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A042E9A7-10A7-4F9D-ADCF-0E4BC45E6F0E
16
Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely : Henjano ny tsipìka. Dia, nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tànan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FDD1489-6043-4CD0-9ABE-181F66036178
17
Ary hoy Izy : Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa : Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy : Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana ! fa hamely ny Syriana ao Afeka hianao mandra-pandringanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ACA07B4-35B8-40DE-83E5-12699A91B35E
18
Ary hoy koa izy : Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely : Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BBDC68D-5BE0-4384-ABF3-9B108025A216
19
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe : Tokony ho nikapoka indimy na inenina hianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26128284-C305-4DD3-BB58-E71FE5D38C1B
20
Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny fitsingerenan'ny taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C07BE616-27EC-4EBD-A349-B094B1FB2B83
21
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84062525-8045-485C-9BEB-8BA133CA35AE
22
Ary Hazaela, mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF61C803-0158-4BCF-843F-B533F17EAF5D
23
Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C5158F-717D-42FC-BCBD-F7CF437BFD9F
24
Ary maty Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6A1F1EF-DAF2-4BFD-9B5B-6673CDF491BF
25
Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36F80D50-888F-40A4-A7D0-0F8F8C38583C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany