Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F100767-0C55-4F96-98D6-4597EC7198DF
2
Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59C5C0C-9BDA-4560-99E7-6822096749BC
3
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384B528C-D036-4713-A08B-1FE018B68326
4
kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2EC488-304A-461F-A23E-CCE9F840027B
5
Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F75960D4-3FD1-4D4D-B0A0-3462AC5BCCA3
6
Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D0A1CA-C50D-45EE-AA8D-925CD8B9F942
7
Ary Azaria dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78794579-9606-42E7-BA08-108A9CA63264
8
Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E39545C-A111-4C1F-873C-217CC077842C
9
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83ED01D7-B9FF-43A1-A672-6DEB4783B4F6
10
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3F3D3DC-4447-4910-93A1-24D306D4FA94
11
Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6BCD12F-6184-4F47-83F6-67D0E9358D36
12
Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe : Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D757084D-4853-460D-8C2F-9FE32BE16E80
13
Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E50F8874-1B5C-4EB9-B016-1F7799F51A1D
14
Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB7BE16-8E6A-4205-910E-289972E3A36B
15
Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED28BF0-28A9-48BF-8ACE-AAA65397BFD6
16
Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FFB049A-A4D0-4C73-A77E-C51837D50DBB
17
Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria. mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04CA3DCD-66C1-4FCB-8CFD-72374A711A30
18
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F00FC4E-64C5-4677-86CE-9727003DC676
19
Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5051DB2D-3541-421F-AD0B-D320F29244FF
20
Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanan-karena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan'olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9FE8C03-2585-4629-8957-6783FBCF5E71
21
Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A87BB89-0E6C-4280-A38A-5AC2F15237DA
22
Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E090FC8D-D275-4962-8157-F3B88073962C
23
Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A69774EA-A92B-4982-B69C-61B14329AB25
24
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|919C1B62-ED12-45B0-A378-297C2F4D0889
25
Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'i Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBDBBEC4-2077-403F-9447-3725DAC71AFD
26
Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE5BEB88-6097-400F-8199-0B1352A83E13
27
Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D3AFA6F-20AA-4A18-B74D-35E2B2614367
28
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F09C068B-56F7-41DA-AB3B-9F84BBBCB1AE
29
Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E4801A-9E78-4425-99D3-FB6F6206EDAE
30
Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peka, zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE8B0907-F6C7-4415-9D22-FA08932EE006
31
Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro, fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF117AE-22B5-436E-943C-A1D51131B8B6
32
Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FED2C78-CE36-44AC-93E4-D45F58103DB9
33
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D03B2D-4B41-4E41-8E5F-D7BA603481A8
34
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52A5D24D-8C98-4236-B248-B743F7109B2E
35
Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11BF3429-EF47-498B-8573-DF0CECE094A9
36
Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E4CC4E-2931-4357-A3A3-3D096C8F85C5
37
Tamin'izany andro izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina. Mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|543A4CF2-0095-47AC-AD55-78329316BB93
38
Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93A1A197-2B2E-4CBA-8AE5-79E97B4893D3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany