Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AAC9568-C516-462D-8924-958FF7AFD887
11
Ary Oria mpisorona dia nanao alitara : araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5F2B75-3275-4E14-B908-3D2A07B03709
12
Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BD6444-2BFA-4D0F-8797-6096BC745937
13
Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0153CD44-0CEE-4308-9FDB-739031A08AA6
14
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano -- dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah -- ka nataony teo avaratry ny alitarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F116D9F9-210E-475E-9CEC-637209356822
15
Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe : Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD179D19-3483-4C12-8ADB-7CBA9FC9D735
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany