Andininy
Protestanta Malagasy
2
Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida rainy izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44F94942-EABD-46DD-9E0C-402AF3627BAA
3
fa nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zanani- lahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93F45CCB-9B08-4ED2-B707-6B2D21B4C94D
4
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FEFF2F4-66AA-4D9F-B22F-EF5D7D1F6763
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany