Andininy Protestanta Malagasy 5 Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2739FA-D58E-452D-94B2-2789FDD28F4F 6 Tamin'izany andro izany Rezina. mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka andro-any. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7484905C-D5A1-453F-9F4D-75E7EFEE4383 7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe : Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C935FB46-744F-48DD-A01A-845429E39C67 8 Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31385212-907D-4C03-B38D-BE215696182B 9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny; fa Rezina kosa novonoiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21E9985D-1D03-403A-85A3-BA43A523191F 10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AAC9568-C516-462D-8924-958FF7AFD887 11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara : araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5F2B75-3275-4E14-B908-3D2A07B03709 12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18BD6444-2BFA-4D0F-8797-6096BC745937 13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0153CD44-0CEE-4308-9FDB-739031A08AA6 14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano -- dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah -- ka nataony teo avaratry ny alitarany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F116D9F9-210E-475E-9CEC-637209356822 15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe : Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra; ary ny ra rehetra amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-dra hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD179D19-3483-4C12-8ADB-7CBA9FC9D735 16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2815767A-398D-4E6D-A67C-FA2CFF34A1F6 17 Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon'ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe[Heb. ranomasina.] dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FA4DF78-C07D-430E-8565-FBFDC71C8DFF 18 Ary ny Fialofana tamin'Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D38521B4-6C20-489F-A550-C657C266DF3A
|