Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka sivy taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAD5FFB8-DBF0-4380-8101-4DF5A7A0F0AA
2
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210567EF-F863-456B-BCD0-06169C11229C
3
Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra[Heb. fanomezana.] ho azy Hosea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597FD837-AF70-40FD-98A6-01A5E0E6E6E9
4
Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra[Heb. fanomezana.] ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACB21C84-5526-4FDA-A219-3C21821AE6E5
5
Dia niakatra ny mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27E72270-9F39-4ACA-9536-C06250A2DD4B
6
Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D36504F6-014B-434F-8BE5-C7D2F2BA0546
7
Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E42115B5-87B4-4D6D-BA40-21A7FC913CB3
8
ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7F12F7A-17EF-45D9-8436-BAF5DF3F0CE4
9
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EB9E0E0-F7CF-40BB-A225-E7B7D499C44F
10
Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE42E10A-1154-4953-B4A5-1DBD2CE14F52
11
ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampaha-tezitra an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE509C26-6F8A-43FC-A2E0-C3E41AD85BCC
12
fa nanompo sampy, izay nandraran'i Jehovah azy hoe : Aza manao izany zavatra izany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94F4F947-7AB1-4AFE-8163-1E8B12517440
13
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe : Mialà amin'ny làlanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5599BDE8-6A96-45E9-8F8F-9CD0288D5E15
14
Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4610AF6E-39CE-45C9-A60E-C56FA86F7AA0
15
Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72991388-3B4E-4692-A3C3-BBC87AC4549F
16
Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D28EE2CD-BBCF-4035-BEEE-BD16455F5BCE
17
Ary nampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55A40046-FEE6-40DB-9D3C-E7A9A49577BD
18
Koa dia tezitra indrindra tamin'ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|759C65F2-2627-4B89-8F7E-F6FCFA03E2A9
19
Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon'ny Isiraely koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8A7D7CD-CCEC-4C31-AA91-889A7F847E27
20
Dia narian'i Jehovah ny taranak'Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan'ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C5FC28A-EE6E-4684-8118-33E001EC27A4
21
Fa nendahany niala tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama, zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B384C36-6B63-4700-A453-52055E25436F
22
Ary ny Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy niala tamin'izany izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7746C52F-C273-4782-A1A3-1A43FF01283F
23
mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala amin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|020127B6-D424-437A-8CB4-C575F10D4EB4
24
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2583207-15BB-48CD-B490-54814EF3FD49
25
Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|590C454E-5D84-4B83-A667-A34FCA148AA2
26
Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria : Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36BAB66B-CA18-46C7-8A25-392B405EDF5B
27
Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe : Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB848561-A54E-489A-A2D3-FD681B15DF67
28
Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64FDE9B8-60AF-4234-A2D9-15CBFFDC4815
29
Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C96CC47F-B017-4AA8-8587-BB666FA3AAB4
30
Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i Sokotabenota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB9C3CE9-0DAE-4DE8-AA85-7038A86C5E66
31
ary ny Avita nanao an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i Andrameleka sy Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B84613-55B2-4E80-88D3-CB338A271476
32
Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|494E3569-4F94-4BAF-AD64-50CABD7B2CE5
33
Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD4D7F8-84C8-4254-8472-7C0D990B6FE3
34
Mandraka andro-any dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy : tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A093A2B-23D9-4E33-A699-9ACE6BA9082B
35
sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe : Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na mamono zavatra hatao fanatitra ho azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E551F408-EBB1-4579-8E9D-D45D7A14B184
36
fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F9F3EB3-C197-4427-8458-DF4CB5DDDC37
37
ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7BB44AC-51B5-4278-9191-CE54AD46D848
38
ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B6C49B1-467D-4AAF-BA8E-085A140B1559
39
fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tànan'ny fahavalonareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BEFBF87-9FCE-4640-AC0A-C23A68E412CB
40
Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9776E6-0283-4E57-84A0-27609A6A2302
41
Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|415AFA91-8D6B-4651-9EFB-62B6197CC237
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany