Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68050CEF-CE17-415E-89C6-0EEAA4C9F6A8
2
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10912BD8-D9DE-42A5-A01F-CA34DED42BEF
3
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3FC3A15-0DCD-459A-A3EE-E6BFC5BDDDB8
4
Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.[Nehostana = Ilay varahina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B70BD97-1365-401C-BEBC-69A8B52E0D6C
5
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0AADDDE-6D0D-406A-9716-1EB90F5A9128
6
Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12CC55A5-D963-4D6D-B63D-3F8304AA8F75
7
Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina[Na: hita ho hendry.] tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria. izy ka tsy nanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80141FEF-3A07-421D-B443-5FBC76B5D11D
8
Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D83549-9500-41AF-BCC4-0D6E4C228083
9
Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFAC5EB9-50F8-482F-AD8A-5734F1C1D31D
10
Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona faha sivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06C95445-C7AA-47C5-B6E3-362CC341C9E4
11
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2161B44F-3472-4E1B-A086-EBA3A0EB30D6
12
satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankatô izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B650B78-45A3-4FEF-89B3-FA6508A6FFF6
13
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69734E56-A617-47EF-A28E-EE642722C1F6
14
Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe : Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB3E708E-308B-4700-AB0A-02F4CAE1152D
15
Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny manjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22835F81-5D5D-4D1C-9644-B625B96A7AC3
16
Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBF37CB2-2AB7-4662-A7A1-1BACBE63A4C8
17
Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dàlambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7921AF33-0856-4DC4-A855-BC553995D1A2
18
Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6444AE9-1813-46E4-A382-64E52CB62616
19
Dia hoy Rabsake tamin'ireo : Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe : Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria : Inona izato itokianao ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54D996B5-69E6-457B-B780-7704D00FCEB8
20
Hoy hianao (nefa teny foana izany) : Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko hianao ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9055A3D7-5E48-4F45-BF7C-C0DBF66AF074
21
Fa, indro, hianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82C65B5F-ABE8-4837-ABFA-8AC2454FCF54
22
Ary raha hoy hianareo amiko : Jehovah Andriamanitray no itokianay, -- moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman-alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe : Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B241A99-1389-44C0-932B-F6E544FFCC33
23
Koa aoka hifaninana hianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo hianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CC2DF04-5613-4205-A105-C71AC1F6F3B9
24
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta hianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F55D4A3D-C15C-4B3D-829B-5B6C6138C04E
25
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao ? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe : Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A63D24-9756-4345-886B-D839F6B97F36
26
Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake : Masìna hianao, teny Syriana[Heb. Aramiana.] no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D7616B7-0CE3-4BEB-837B-00B66B5B42C9
27
Fa hoy Rabsake taminy : Moa ho amin'ny tomponao sy hianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny mànda, hihinanany izay tsy fihinany[Heb. ny tainy.] sy hisotroany izay tsy fisotrony [Heb. ny amaniny.] miaraka aminareo ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6CD9D5E-6820-4A18-B5A3-B55075937BEB
28
Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe : Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB7D85C6-CC61-4D60-851B-8865D82A4414
29
Izao no lazain'ny mpanjaka : Aza mety hofitahin'i Hezekia hianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tànako izy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FA83BC-D35F-4053-84A8-915EA161A429
30
Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah hianareo amin'ny anaovany hoe : Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADD7A4C7-5121-4782-A77F-9FF1E62A9C77
31
Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao lazain'ny mpanjakan'i Asyria : Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa aty amiko, ary samia homana ny voalobony ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F46D40E1-20C0-4ABD-8C5B-B6A3701A9CA1
32
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, -- mba ho velona hianareo, fa tsy ho faty; ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo anareo amin'ny anaovany hoe : Jehovah no hamonjy antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFAD5D1F-E2EA-4881-B0FC-56CBE8B758ED
33
Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FEBE7BC-5576-4359-8838-BA192F2F4447
34
Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada ? Ary aiza koa andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva ? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tànako va ireo andriamaniny ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C4CD154-D925-4597-9104-C962E8B24CCD
35
Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tànako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tànako ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA839D8C-C334-46C2-A4D7-494A33C9C20F
36
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe : Aza misy mamaly azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFE879DC-6865-4406-B0A3-B3F7F2317185
37
Ary Eliakima, zanak'i Hilkia. izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8160C5-1BEB-4396-8CED-0EA3BC411DF5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany