Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia Mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah : Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A57F2A-CE3C-4B9E-A1DA-96B4A6689DE4
2
Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF2372FE-33DC-44DC-9478-C812259282A5
3
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|273F7588-2D2A-4A8D-8890-35185D0B0826
4
Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna[Na: kianja.] afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16C228B6-D65C-4B55-A3AD-5A004D7542F2
5
Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao : Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA1E09F5-7014-487D-B0B7-CD576C9A9A08
6
Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tànan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D453B5B-7533-421E-A302-81296C667012
7
Ary hoy Isaia : Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD724531-E421-4B6C-B877-D71EF7AFC78D
8
Ary hoy Hezekia tamin'i Isaia : Inona no famantarana fa hositranin'i Jehovah aho hiakatra any an-tranon'i Jehovah raha afaka ampitso ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAF4B260-C198-4C4C-89DF-907A19E17E6B
9
Dia hoy Isaia : Izao no famantarana ho anao avy amin'i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy : handroso hàdiny[Heb. ambaratonga.] folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny[Heb. ambaratonga.] folo ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9B4415C-6E53-47D5-828E-BF3CB68A5812
10
Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan'ny aloka hàdiny[Heb. ambaratonga.] folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny[Heb. ambaratonga.] folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|530FCF61-9796-4261-A321-1ACED68E316B
11
Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin'i Jehovah, ka nampiverina aloka hàdiny[Heb. ambaratonga.] folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin'ny dialin'[Heb. ambaratonga.] i Ahaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FEB630F-7243-45F1-A206-0197E5B3AE33
12
Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Berodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2614BE23-D9A1-4A48-AAAC-5F42341E0552
13
Ary Hezekia nandray[Heb. nihaino] azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany : tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C2D386F-9CD1-4FF9-9075-CF3F24E6DF82
14
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe : Ahoana no nolazain'ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy ? Ary hoy Hezekia : Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76963AC3-C587-4781-BE58-9B49954FEAF0
15
Dia hoy izy : Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao ? Ary hoy Hezekia : Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa : tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin'ny firaketako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDBB69C5-027F-478F-AEA4-08B7615B22CA
16
Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia : Henoy ary ny tenin'i Jehovah :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|884C8C1C-21E0-4239-918B-402328804011
17
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharìn'ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B683C2D-E71F-4489-88AF-71AC67563A6A
18
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka[Heb. ionoka.] any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E63639F0-BE1C-43B4-B243-AE99226995B8
19
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia : Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy; Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin'ny androko ka handry fahizay ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A6D7E5C-5FCA-4ECE-8D51-EA56AE0C6358
20
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin'ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED8D21AE-3278-4E7E-922B-FCC46F511EAD
21
Ary Hezekia lasa nodimandry any amin'ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95EAED75-D80F-4AAF-BDEC-F77D0DBC1DA9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany