Andininy Protestanta Malagasy 2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe : 3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. 4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna[Na: kianja.] afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe : 5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao : Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah hianao.
|