Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe :
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D882D45-8360-4BA6-9A57-EFB4213C50D4
11
Satria Manase, mpanjakan'ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin'ny sampiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D429D2CC-F3A4-42A4-A5EE-44B4FBCD3531
12
dia izao kosa no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Indro, hahatonga loza amin'i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66BAF2A3-4481-4782-8E0A-E609522F356A
13
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan'i Samaria sy ny pilaon'ny taranak'i Ahaba; ary hamaoka an'i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42BB6092-0CF8-461C-9FD3-E3355013A168
14
Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon'ny fahavalony rehetra izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92A38FA9-C610-4AFF-B37A-54FF804CF2A2
15
satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin'ny andro nivoahan'ny razany avy tany Egypta ka mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9951FF14-D022-4CF7-BD66-1312E59C14CB
16
Ary na dia ny ra marina aza dia nalatsak'i Manase be dia be mandra-pamenony an'i Jerosalema rehetra, ho fanampin'ny ota izay nampanotany ny Joda tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C769FBC-881F-453B-AC04-DF521327C570
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany