Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39318BFE-3A34-4EE5-BA54-118C462DB824
2
Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy : dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ADA2CED-9C24-4E9B-A5FE-17AF02DCC8FF
3
Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A7E52E2-8F5F-4327-9D3E-F73FEFC37623
4
sy noho ny ra marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny ra marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C141B1-266C-489D-BDE1-54EA59BC87A0
5
Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A33AF4D-2CF8-464B-A3CB-8EE5369A6CB9
6
Ary Joiakima lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15A1A505-F5C4-4130-AEDB-356F7A2469E3
7
Ary ny mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E67ADB20-5C9B-4768-A8FA-51AD79B663E9
8
Valo ambin'ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8123838-451D-407A-A0B8-6B5F1F350F47
9
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C66CC6A-0325-4CC1-B977-864485D2F9D1
10
Tamin'izany andro izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely an'i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80164D5A-1721-4B57-A259-39752BFA2632
11
Dia tonga koa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FEC7663-E9BB-41F1-BB3A-B09B2C8624E1
12
Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany; [Heb. ionoka.] ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10B47424-F82D-48B8-8F1A-5D3FC553FE9C
13
Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665B9BF1-D6ED-4CC2-A2EF-BF7FDE69728E
14
Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51853797-E652-4AF9-BA84-96B3F7FBCD54
15
Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa[Heb. ionoka.] sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB21EE72-0B61-4C92-946F-FACF4238A1EE
16
Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF587FFA-EF10-42A9-8999-068E5A36229E
17
Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE199775-3DE3-4D7C-992D-067BE091604F
18
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i jeremia, avy any Libna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B286D26-E99A-47E5-8A70-101FD25EB483
19
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7963590F-5BD8-4FE3-B337-36131BE6D16E
20
Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93C8CEA3-4D43-48AA-99E0-D2799593CC83
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany