Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe : Maty ny vadiko mpanomponao; ary hianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|527CB15A-13C1-488B-BB16-4DC0EB531864
2
Dia hoy Elisa taminy : Inona ary no hatako ho anao? Lazao amiko : inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy : Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FCA1118-4A10-4B6E-B933-7AB84EF8C90C
3
Ary hoy izy : Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F114D0A-80E7-4317-A03A-2531E8CBA5DA
4
Ary rehefa tafiditra hianao, dia aoka hirindrim-baravarana hianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidìna amin'izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931AB0CB-A030-48A0-9DC9-8D2C4F49D4AA
5
Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E565CDFC-2D4A-429C-B35C-9FEBFD933362
6
Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany : Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy ireo taminy : Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1923DE4F-6772-4435-9FC1-5A06A9C7F517
7
Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy : Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED6BD5A2-F760-47F8-9EB0-52DE5006DB30
8
Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanan-karena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F280422E-BB7C-4719-A2E2-05C84B8A1EBD
9
Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7130BA1-346D-4378-A8B2-1F8CE0226ABD
10
Masìna hianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF9C26CB-FF9D-4235-86A2-2E4C0C27A6A6
11
Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A108EF9A-93AC-4673-8176-EF1EB384A625
12
Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony : Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3BC1791-7AFA-4208-922D-0AD5451F3AE8
13
Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy : Mba lazao amin-dravehivavy hoe : Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao hianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao ? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va hianao, na amin'ny komandin'ny miaramila ? Dia namaly ravehivavy hoe : Mitoetra aty amin'ny fireneko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|939F60DC-9FCC-4D5A-B70C-E0A16FAD0510
14
Ary hoy Elisa : Fa inona ary hatao ho anao ? Dia namaly Gehazy hoe : Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AFF7207-39B8-4F60-A2EE-2F6560349A37
15
Ary hoy Elisa : Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|042E9276-3A64-49CB-A8DC-84BB2BA7865B
16
Dia hoy izy : Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy hianao. Ary hoy ravehivavy : Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA837AF1-CB95-49E1-BA6F-C450EC5DEB85
17
Koanefa nanan-anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9315170-BDF9-4E77-B162-882C0C846C5E
18
Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21B5CCBD-471C-4C06-BCA2-DB2AC12F4BAC
19
Ary hoy izy tamin-drainy : Edrey ! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray : Ento ho any amin-dreniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66589572-2FDA-40A7-AE4A-A1AA5C5D46AB
20
Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66CCE26D-B606-4211-B02F-A299B069C826
21
Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|661CBF09-5606-4A47-A005-E74534B58829
22
Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe : Masìna hianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D7FFFCC-7E84-441C-88A0-839D9253A9C3
23
Fa hoy ny lahy : Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao ? Ary hoy ravehivavy : Ka nahoana aza ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6BB31E9-D129-466E-97FE-D4307DFF60F9
24
Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony : Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|023A13D8-ADC1-4319-AFFC-7F9BD4B9D4B8
25
Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy ery izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony : Ilay Sonemita lahy iry;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CBF1216-7CE7-4ECA-AA00-2EE31298CED5
26
masìna hianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe : Tsara ihany va hianao ? Tsara ihany va ny vadinao ? Tsara ihany va ny zazalahy ? Ary hoy ny famaliny : Tsara ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9E81D95-6717-4257-A598-D82CB64A0AD8
27
Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra : Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5934CFC3-AD37-42D9-AE4D-35CEEC626C5A
28
Dia hoy ravehivavy : Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko ? Tsy hoy va aho : Aza mamitaka ahy ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827ACFFA-9B5B-4B93-AB4F-FDBCE31C0FD2
29
Ary hoy izy tamin'i Gehazy : Misikìna, ary ento eny an-tànanao ny tehiko, ka mandehana; raha mifanena amin'olona hianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CF4CFDD-0CA0-41F6-9E8A-A60D3534FD66
30
Ary hoy ny renin'ny zazalahy : Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D77705B-F446-461A-ADE7-2E4F791095B1
31
Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe : Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25FE73A7-557D-4066-A138-10708C20277C
32
Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4B8529F-DF37-4BA5-8933-FCE5EC8462AC
33
Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072A81B8-A91E-42AB-B0EB-EE09641F7D46
34
Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|786AC053-7D1C-49D9-9E28-28F0810DE225
35
Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17E47AA0-20C0-4495-B127-4538625835BB
36
Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe : Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa : Raiso ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD0D7707-A381-4C7C-9DEE-252957449CB2
37
Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F87BC200-3974-447D-9D58-6E5964F6AFBC
38
Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony : Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|813C1EA0-092C-400A-9664-35A13CF8D1AB
39
Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C13812-A2CD-42B6-950A-EB1D61B81770
40
Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe. Ry lehilahin'Andriamanitra ô, misy mahafaty[Heb. fahafatesana.] ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A1488D7-8564-461A-A143-E87852DE82D1
41
Fa hoy Elisa : Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy : Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE445480-7219-4C16-BB3A-4BF75AA0811E
42
Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa : Omeo ny olona hohaniny ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D69CD2-67C3-4E5C-86E9-18454A2D7DB9
43
Fa hoy kosa ny mpanompony : Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy ? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah : Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0509AA3C-3D55-4D7E-A5D3-DBB6E8A3A5A5
44
Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB86C68A-F9A1-46B8-A774-42B620791E57
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany