Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa : Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447EBE86-DD21-4C53-9C70-15F645CB039A
2
Masìna hianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy : Mandehana ary hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7095678-0F96-44D0-850B-CFAC6763304A
3
Fa hoy ny anankiray : Masìna hianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa hianao. Ary izy namaly hoe : Handeha ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D69C33F2-D31A-4490-8C75-0F76EE9AFB02
4
Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D13C67-74CD-4F91-9956-A2302FD95256
5
Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; [Heb. ny vy.] ka dia nitaraina hoe izy : Indrisy, tompoko, nindramina iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A91D49D-9FFA-4857-89C7-BE5D05E65F8F
6
Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra : Taiza no nahalatsahany ? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|476EA1BC-B414-40EE-B127-7FF4D5489069
7
Ary hoy izy : Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A4DFE91-EB54-4656-A7D1-E3790832C779
8
Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe : Any Ananona no hitobiako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B446D7-E5BE-41AC-9416-CD0121C78FAA
9
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe : Tandremo fandrao mankany Ananona hianao, fa any no hidinan'ny Syriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A1CFE9D-9E9C-49B2-B36D-F053C8AD9467
10
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC71640E-49C9-4FEB-9CC7-1BCE11A4186D
11
Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe : Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A89DE-50C7-492E-9100-86FCC419D46E
12
Ary hoy ny mpanompony anankiray : Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|566BBF0B-E941-4AA9-9184-ABB58BD7F661
13
Ary hoy ny mpanjaka : Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe : Indro, ao Dotana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AA8B837-A2F3-45BF-AE6C-C575DAB5A490
14
Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1765A6FA-CACB-4D42-9134-AF4BCF594C88
15
Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy : Indrisy, tompoko ! Ahoana no hataontsika ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED71F27-F8EE-40E6-87EF-820BAB62FC59
16
Ary hoy Elisa : Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7869CF14-FD40-486A-9EF9-96CE7A7B5A5F
17
Ary Elisa nivavaka hoe : Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAC0D2F6-96E1-4053-A6E8-5643751A9A08
18
Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe : Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA27C8CC-2C63-47E0-B5FE-CEB3AA16E798
19
Ary hoy Elisa taminy : Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E66685C-5EAF-4271-955E-C5644561218B
20
Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa : Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9204C99-99E0-4C99-BE8E-992FB9F9DB06
21
Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa : Ry ikaky ô, hasiako va izy ? hasiako va izy ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5AC7E70-E391-47B1-88B1-3DB52E4E89C1
22
Fa izy namaly hoe : Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao ? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C166D2A-B756-4460-AEE4-612A813A5619
23
Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7030FBD-9831-4D60-AC58-1FB14E87E134
24
Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B79FBB20-4336-420F-969E-4D444E81BF6E
25
Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EC158BD-6056-4D3A-8623-6A00D5F92202
26
Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny mànda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe : Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99E29589-F3A4-4382-BC66-E535CF389377
27
Ary hoy ny mpanjaka : Raha tsy vonjen'i Jehovah hianao, aiza no hamonjeko anao ? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCDF0DFE-6289-472B-9DE2-BD24EAD9E710
28
Ary hoy koa ny mpanjaka taminy : Inona ary no alahelonao ? Ary ravehivavy namaly hoe : Hoy ity vehivavy ity tamiko : Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66BB37F5-A110-480F-9E52-1175D360B8E5
29
Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy : Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika ? kanjo nafeniny ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFBC2426-03B2-4E2D-B6E2-FF253EF2CEF3
30
Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny mànda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana[Heb. lamba malailay.] no nataony manolo-koditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C2BBCE9-9D1F-437B-B6AE-907F577FEEC9
31
Dia hoy izy : Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FA63258-D965-48C7-B5B7-85DB89AC7EF5
32
Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona : Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako ? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9099AA5C-65A7-4383-A4F3-875E43838D1D
33
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe : Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0843949D-9D16-445B-ADDE-060A42657878
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany