Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36A6ABA3-5CE3-4596-8387-BFB362B4E5D4
2
Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92CFF15E-8E40-4B3F-82F4-1D8F480A18C4
3
Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBE7A070-134D-4D73-8880-98984C4A9A61
4
Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|277AAA04-7193-4462-AFC5-5C0D55A303D8
5
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAD25833-F96B-478B-AED6-3C9270815838
6
Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BEA53C4-9F65-435E-BA45-BA8D6B925D73
7
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE51545B-6DF6-4711-B09F-DA8BCC95F478
8
Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3150EBF-359A-40BD-A473-55DCF5561244
9
Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D3A080-A315-40A2-9081-9C45850072B0
10
sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao*.[Heb. hanao trano ho anao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F3A5505-13AE-44C2-B568-6BEF18A9B0F8
11
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C02286C7-093A-493A-9C0B-31ABCD44FE21
12
dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB74E745-5F46-4092-9EAE-C0F3B03CF4E6
13
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|685D8D0D-68D3-4C1A-8BEA-77D87279AEB5
14
fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE5F100F-1EAD-436F-8298-6416D132C8C7
15
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78330432-5E06-42E2-A0C6-C1842246BBFB
16
Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF1809B2-1B82-499A-BAD0-4AC179B0D911
17
Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6687291-A6C1-4E3F-AB64-85D0A2FF9285
18
Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F5E74DB-4CB4-4F42-BB6A-5322CCBB27AE
19
Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9317F30C-4413-4183-BDE8-5AEF643B2FAA
20
Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|492D3236-3119-4647-A7E0-55E5BD80B9A1
21
Ary aiza moa no misy firenena ety an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3169EBDA-C22F-4EB5-9BEA-0C174AF470DD
22
Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8A56CDA-A381-4AF9-B859-9C03278157C5
23
Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FD2683F-86DA-48BE-A00B-6835377DF84A
24
Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D27C22-2A20-410A-9AD4-1234C83AF0E8
25
Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy*; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68ADC8C9-5E3F-4906-8C6D-ED00520638B8
26
Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69A8C1F0-C8E7-43BF-B8EB-A079A094AB82
27
dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DCB041D-7D12-4387-97BD-AFB28B316931
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany