Andininy Protestanta Malagasy 6 Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka. 7 Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. 8 Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
|