Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E67E543E-6BAE-453A-BA5D-97576F36B0E4
2
fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8B23944-280A-4309-A889-8A692DF6916A
3
ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8004B34-FDBB-4739-92B7-F34D9C5134E1
4
Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8795B01B-646E-490B-9A0C-A8E264855CF3
5
Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0185409D-34BB-4E79-9D7A-42FB7C0F64A4
6
Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D4ADF1-1EEC-4389-8A55-559F9ABDA53D
7
Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03F58BA-DC08-4A2E-A8AB-CB0900DF7BF3
8
ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D170D69-09CE-48C2-85DB-AF0E5C81422C
9
Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A64D53B-2D29-4EAE-B8B8-0A97C9237D59
10
Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada* izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8512798-07B0-497A-8499-A83F204166D0
11
Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8056E1D-3406-43C8-B9AA-30C8CF904D22
12
Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF550DF8-E812-412E-BE63-5FB3E9A71881
13
Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6104AB2-A839-4938-AB73-8AD42E2C596B
14
Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9906B7BE-F907-4E31-9236-4FD085C08113
15
Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94A853A1-B021-41C3-B9B5-F2F830E206C9
16
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1230C668-F5B4-44E6-9817-B63051180659
17
Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2882DC1E-158D-42FD-821B-504AF621A2D4
18
Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E260FCFA-707E-47AF-8934-CDB89BA63100
19
Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7033BCA2-07F0-4152-8174-0A7AC6E07A51
20
Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0EF82C1-5163-417E-AE01-8453EEAB550B
21
Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25215451-7937-4886-AC20-8517D55B8F18
22
fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E9EBCDC-DC86-430F-A792-43F111660A53
23
Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7DC73B1-02A0-4EB7-A43A-17C784617BED
24
Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44EAEC72-A280-4820-A86F-C8E197489598
25
Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E75E28D9-A47F-49A0-8B70-8122DBC544DF
26
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F652B8A7-3EA6-45EC-8222-587A19DCE47B
27
Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AE97FED-AA35-445E-A982-DF66BDF3E498
28
Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDA467CD-1D99-4182-BDBA-313712E92666
29
Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADBE3817-600B-4DE5-8CA9-877AB69AE2D9
30
Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30CAAFDB-3F72-4F52-83A5-2BFA24EBAC14
31
ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89A620F4-D0D7-4A43-866D-86441A8349A9
32
ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|358AE660-4635-4645-871B-F56F2A9D5DD7
33
ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6939549F-AF35-4148-94C7-B85157934BCA
34
ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|923D18F0-E5A5-4788-A11D-374734EF98E7
35
ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F187928-39FD-494C-8A8C-FBB92F8D5AFE
36
ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|431E2658-7F50-4785-BD87-0024F6163579
37
ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6216E66-C4CE-4AAA-BC2A-D41341989F00
38
ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4305B747-72F8-44C3-96FF-9FE943D3D58F
39
ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8940307D-158A-4244-BD8E-AD1DD7D16ECA
40
ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AD59E7-8387-4119-90AC-6789508D5342
41
ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|652028CA-9CD6-4E63-B461-0B47B1BB6162
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany