Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E645E525-5291-4ABE-8EC1-F108DADBC4D6
2
Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298DF923-5D50-49D7-A30D-58658463C7E5
3
Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6DABFD-1DE0-4CBD-9C70-CC684A3DDD7D
4
Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83D0BE30-A98A-4914-813B-75D6871D9776
5
Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa aty amiko indray. Dia lasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1578D95-00A3-48D2-B171-DE9B9DC0EB14
6
Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39B20AC7-BDD0-4E2C-B8FB-ABB408D64CF9
7
Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka hianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B7714F7-7D8E-4EE8-B507-0852EFEF4BA2
8
Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA4327C3-2C71-49E4-929A-C119FD564E7D
9
Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE6D9E94-8D17-456A-B034-E079FDCBECBA
10
Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, -- izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDE852A-FDD1-4A36-AF40-5690CD221BB6
11
koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0D5B6B0-FF34-4806-A8DC-D3D6891D9597
12
Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa aty amiko indray amin'ny andro fahatelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FA81D5-059D-41AD-A283-B559AE546F7E
13
Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E76C5E2E-D905-40AE-8EA6-61DC24CBF077
14
ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3664EF8C-48AD-44B1-8882-43129D7A99B2
15
Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F5CE055-C294-4CF9-A23B-532E32AC4515
16
Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA69AB65-1732-4FE5-AA81-CE60F524D6CB
17
Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89A7E884-3681-4E2E-9B29-BFCE7DF9CC8B
18
Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'Isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71B3D2D4-38B8-49DA-9E28-F8336629D02A
19
Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B92892A3-43EB-4A6F-B9DB-0B4F0CF7DB6C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany