Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3626E505-6925-4921-9846-1F6800824FA5
2
Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54D535C-18E4-4F88-A438-51B7E19C354F
3
Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98657F15-D547-498F-AF42-E68AA8E0D678
4
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy hianareo; fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EE5A1FB-153E-442E-B49E-EEB0D7E2D8D3
5
Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimànda tany Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F99A30-9DEC-4B78-BEA2-D8AFFBD31C26
6
Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A78819-5C4E-491B-B257-A76CBA839A72
7
sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91690171-247C-47DB-9E1E-5F6FB19F54BE
8
sy Gata sy Maresa sy Zifa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DD12DC8-587A-4D8F-BEBD-FD40DE7A22AE
9
sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23797B4E-96E4-480B-A46B-009911525B0F
10
sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimànda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12699780-1C60-4444-9B09-31CEC74957CF
11
Ary nanamafy ny tanàna mimànda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991DAF78-5571-480C-A32F-572A41263F7C
12
Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|066948D2-94C1-4E30-B208-2A0B6F6CFAA1
13
Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C09A9C0-5D91-4A12-B52A-251401CAC523
14
Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DC75419-8648-4A84-904C-125B3C6DBE7B
15
fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima[Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy. ] ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF5D30BE-4687-4762-B4F2-779ACE831DCB
16
Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5803C0F3-438F-4339-8591-821F25E05D5C
17
Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny làlan'i Davida sy Solomona telo taona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B0974C6-AE7E-45CE-B184-408654712600
18
Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AB7F146-71A0-4738-860B-8AF7653AE324
19
izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|053E8F8F-F6A0-473F-9E12-B09346512696
20
Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D40F21EC-6BF9-4328-9A8A-FF9AF181F0D6
21
Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA5DA225-CF96-4A34-A3D5-B7B660F236AF
22
Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|884A89FA-5C5B-4819-9517-281C56482692
23
Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimànda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D443509-A5A4-4435-95E0-68551602E523
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany