Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|178FDF5E-6759-4C06-9534-F6EB12B7F5EA
2
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E80775A-BFAD-4F7F-9657-AEAA47099774
3
Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB481098-72E5-4D1D-A8CC-9223B80422C8
4
Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay avy amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA15BD6-6FDC-411E-83A2-CE2B489C4C79
5
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasian-tsira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FF29D77-E4A8-4DF2-B4E7-FAD1BDA3C546
6
Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0A959AF-0252-4AD1-AD23-FDDF6C92D15F
7
Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'i Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E64337F-93EF-45E1-B6A3-6DC7C75F1FE9
8
Ary ankehitriny hianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary hianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2CB9859-5ED9-4D9A-BFB5-13165BD34F94
9
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny Levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa hianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FAD258A-5533-4027-84FF-46549C12129B
10
Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5B779C8-A795-4CC6-9DF7-FE0EFC5A0B4A
11
ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa hianareo kosa nahafoy Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC602374-A068-4D49-BD20-ECFDAEE76561
12
Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo. Ry Zanak'Isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17B038F1-A98B-473D-BEBD-B486A836EC10
13
Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB41BA0-7041-47E9-9003-A88649F3E331
14
Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06E5AA12-F07B-4737-BA2F-CD8880E293BE
15
Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely teo anoloan'i Abia sy ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FEFA14-3A3D-4802-9C8A-41BFE901FDA8
16
Ary ny Zanak'Isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2B63090-E517-4F10-BE23-41033EC24D37
17
ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB49E93A-DB3D-4225-9F63-EBFEC6A3D9AE
18
Toy izany no nampietrena ny Zanak'Isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4910AF2-66F3-43E9-90E8-0BDD6B83A000
19
Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona[Na: Efraima.] mbamin'ny zana-bohiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6FD172-0A8E-4690-9A2C-747AECAC948B
20
Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F680CAAA-04FB-4E48-8C6A-48277CF5EBFE
21
Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19947005-4DAD-4799-BC7D-B5B89FB116E4
22
Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|678A19AC-8234-432C-A5DD-DDD7404F7A7D
23
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBA54F0C-FAC1-4BE0-9456-C7A6E04FD403
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany