Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F72C0F-9F0A-40D7-8247-44760955D313
2
Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75C3DFB2-E28E-40BF-9F4E-1C766918ECA3
3
Misy[Na: Aoka hisy.] fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56743BF3-D12D-4E3A-89F2-9DB375598117
4
Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EDA6C1-4311-4AED-8F6E-C8FEA733D649
5
Ary nony ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C176ABCA-0428-4160-A486-841B1DB63A1A
6
Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra, ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa, ka nentiny nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0E54BD7-8E00-41E6-92B6-A04ECD56A73D
7
Ary tamin'izany andro izany, dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria, fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao hianao, dia afa-nandositra ny tànanao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96AA7B5E-E913-4F3A-9CEB-F0D8F9C271AB
8
Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tànanao ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D69839F0-ACF1-448D-9284-57E6B10577C1
9
Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala hianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53F64988-8267-40C3-80D4-2D90642C3683
10
Dia tezitra tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka taminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin'i Asa tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F556DE09-9118-44A9-9421-43AC2EA2C489
11
Ary, indro, ny tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|828B23C6-D0A2-4C6C-BB75-1B8AC4247225
12
Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary azy izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7162F1CA-263D-4822-A2C3-F349B0B762A8
13
Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AC414A1-A87B-4713-AC65-CAF2BDCD5F8A
14
Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6844CF83-7230-43BD-9A65-283C5D57AED1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany