Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF7345BE-187A-47D0-913A-E4A3203CD6FA
2
Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimànda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A596E2-A0EC-4398-BE62-885FAD8FC04C
3
Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B50787-160A-4E66-BF5D-F9B2AFD129B9
4
fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF63C0D3-2C8C-479F-8BE3-83C0F9A1FFAA
5
Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D9D0B19-649D-401A-AE16-9D115C3AD3B6
6
Ary ny fony nihanatoky tamin'ny làlan'i Jehovah, dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBFA50C6-9E41-4E0C-917B-A5F3C49158C8
7
Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela sy Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D2051D-1089-47AA-8876-9A2D7108B9DB
8
Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Toba-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C203FB18-0189-4E5D-BD96-8377B1C8BE8D
9
Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB3CAB72-D63F-4932-BC7E-56850B861579
10
Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1F8F933-9BB6-41A4-8D6E-2154BFD8BD09
11
Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman-osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D884826B-4FD2-4E0A-A7B3-0453C0FE0867
12
Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E20F6043-3BE6-4A86-91CD-306D83377386
13
Ary nanana fananana betsaka teo amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A98C703B-542D-4734-AE5F-2A7011F1350F
14
Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505F4D81-5AAB-4E3B-9196-6922A87A5EB3
15
ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|043AAC4B-0913-48D4-89EE-9260D7E1C8AD
16
ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolo-tena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D179ECFE-652E-4E7B-9638-D80441EAC683
17
Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFF61420-E5B8-41B2-ABED-F633DD3EBB67
18
ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E8A1858-1F43-487A-B834-241DD5D3866B
19
Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimànda eran'i Joda rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD8601D5-07AC-4226-A405-D34FDEA6B214
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany