Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E9069E-838D-4F93-B569-399EA9362026
2
Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1158EDA3-557F-44B4-836E-2946A9C0A436
3
Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D408C11-1BE6-4C2F-930A-B91C644E18CD
4
Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|438CD2B6-9C2C-43B4-9147-792774F0D113
5
Ary nanendry mpitsara tamin'ny tany izy, dia tamin'ny isan-tanàna mimànda eran'i Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75748F36-EF5F-437D-8DF1-114C08EF5852
6
ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho an'i Jehovah, sady momba anareo ao amin'ny fitsarana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E63F3E-8AEC-426B-A5B1-A4765F064149
7
Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBC594AF-4312-48C0-854F-7D4DEBB25C6A
8
Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDF43E8-9B75-4043-BB86-D1779A745E18
9
ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AE389B0-B113-460A-8AB2-EEADAB27BE2A
10
Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana hianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E734D5C9-8BB5-434C-A0D3-DF746FDB2EBB
11
Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7312C084-0A55-4D62-8681-496B92585C65
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany