Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin'i Josafata ny taranak'i Moaba sy ny taranak'i Amona mbamin'ny any ankoatry ny Amonita.[Na: (mbamin'ny Meonita); izahao xxvi. 7.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9920EAAD-B3E9-47C7-A4C5-74298C0F378D
2
Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (En-jedy izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721F3C1C-35CC-4934-B786-02B2E93CACD1
3
Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|828CC1DB-F5AD-40BF-A3DD-BF9570552575
4
Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin'i Jehovah; eny, avy tamin'ny tanànan'ny Joda rehetra hitady an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C1BDA5F-CA04-40C6-A52D-DAA8FE66CCB5
5
Ary Josafata nitsangana teo amin'ny fiangonan'ny Joda sy Jerosalema, tao amin'ny tranon'i Jehovah, teo anoloan'ny kianja vaovao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8154BBDB-D5FA-4370-B7A7-028A65608932
6
ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin'ny fanjakan'ny jentilisa rehetra, ary eo an-tànanao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2011E6E1-B424-404B-BE2B-79EBFDB5A933
7
Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5C2DF7A-FD81-4C19-9A23-BFE3A497F8F8
8
Ary nonina taty izy ka nanao fitoerana masina teto ho an'ny anaranao sady nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D89036-56C3-4483-B5E1-AA11DDEA3BBA
9
Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin'ity trano ity) ka hitaraina aminao amin'ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B21AC72D-DA2E-48AF-BB94-E3A595C5B11D
10
Koa indreo ny taranak'i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra Seïra, dia ilay tsy navelanao hotafihin'ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B8F522E-6675-4AB8-86E0-A699F20D2FE0
11
nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C78C369-A719-453A-8160-DE52D953C16E
12
Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain'ny masonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA5EBD1-47F9-4F66-8665-C7AB9703C3D0
13
Ary ny Joda rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99FC87E0-2B95-4455-97F5-03162B7F9E3F
14
Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F32FCB0A-C6BB-46ED-85B1-270A70E82583
15
ka nanao hoe: Mihainoa hianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary hianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD274B3D-DDEC-45F0-830E-C028293EF07F
16
Rahampitso dia midìna hiady aminy hianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary hianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5C927D9-FEEA-4047-986C-82BFC5048D61
17
Tsy hianareo anefa no hiady amin'ity; mijanôna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43DCF591-BF74-466A-930C-5A18D2075178
18
Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB7D5FD-574E-47CD-A1F3-C4E911CE6057
19
Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraïta, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31F3FFDB-C0AD-42E7-AC0A-3F5FE2AA5BE5
20
Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy hianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447C0D62-0ECF-446B-81DE-F6E31C6A0F7A
21
Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka nanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6B96F7-41CA-487C-8362-32676111257B
22
Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63BB1DA0-3F55-470D-8C7E-C36666D82EB3
23
Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0827463-E4DB-4533-A08A-6C6E55132445
24
Ary nony tonga teo amin'ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin'ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCC04CD6-92E8-4659-976C-11234A1116C9
25
Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty[Na: (fitafiana).] ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B94EB404-05D8-454F-91BA-29F79B7FD50D
26
Ary tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny lohasaha Beraka[Beraka = Fisaorana.] izy, fa tany no nisaorany an'i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FA2E266-AFD8-4C70-8C34-1B80C8E429CD
27
Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin'ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy tamin'ny fahavalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F318C60B-C951-48C7-8FD9-3E50FCEF2D6C
28
Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D2527A2-7BEE-40F5-9C67-17A4F55DD879
29
Ary ny fahatahorana an'Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin'ny fahavalon'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C30C6ABC-6B92-4D82-8407-E2CA179C0A50
30
Ary nandry fahizay ny fanjakan'i Josafata; fa nomen'Andriamaniny fiadanana tamin'ny manodidina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ABE7B6D-6068-4457-B89B-CDF3A070F22C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany