Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'i Zikry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A6D392C-031F-42F3-BDF7-E3AD3581D71B
2
Ary nitety an'i Joda ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|546217A5-60DC-43F4-BB1F-01DB30EDE28F
3
Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F644F2E4-D5DA-426A-AF9C-9448886B5534
4
Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B272C40-8760-4E2F-841C-8DCD52598C38
5
ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED9F510-9BA9-4BCB-8762-DC6A3F6F1DF4
6
Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05F0790D-AFA7-4441-A5BB-658657A4F71F
7
Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEC80D3E-E55D-4110-9D3D-42CDB189E0A6
8
Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06BC180E-1B31-4D27-845F-94E08D78213F
9
Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3971677-1B1A-40EB-B27F-A0833348155D
10
Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98F58F5E-6A8A-4855-9A1D-8511F0EFA1FE
11
Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satroboninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona,[ Dia ny Didy Folo. ] ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BE0BE82-97DE-49A9-880B-F89A9F392D08
12
Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'i Jehovah koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53DF7B97-A507-47AD-BDE5-74F995F31AE8
13
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CCC852E-59D6-4B98-81F7-5E196288E94E
14
Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B52D322-8B30-4096-A037-673312BE953B
15
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B7873A8-3141-4EA8-BEA0-EEDB42C0116A
16
Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB7A726B-FF08-4454-96F7-AF2C981EAFCB
17
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68276BD7-71EA-452D-A609-381286B5301B
18
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona, izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73DC7F0A-0614-4884-B4AA-BB26159564C2
19
Ary nalatsany teo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89828B63-2F05-4552-AE8D-1203CB59CD2D
20
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4699985C-2EDD-46D0-84B4-F988CCD65300
21
Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanàna, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|924528CA-745A-46A6-96A2-23BA83684DFA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany