Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2C40BE-9A4A-433B-8C92-5235A172D80A
2
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin'ny fony rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62EE868F-3805-45BE-A297-88E5AD8623AB
3
Ary nony tafapetraka tsara tamin'ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1C7C4D2-B8EC-42A1-A7F7-8028A55C8168
4
Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna, dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DF1D869-5336-4479-8CB2-63E3F01BDFB2
5
Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3740B99D-9EC1-47BE-98C5-A679E103B99D
6
Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin'ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A202F4D3-961D-49AB-9CE0-86D97080E11F
7
Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEFF64CF-107D-4463-9091-FD203407CE38
8
Fa mandehana ihany hianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo hianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|768947CD-CED8-471D-8E2B-B96F3010C80D
9
Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Ary hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4499DFC6-63CF-4619-859A-2FCD1A624BD5
10
Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|670F5955-5FBC-4AB2-9597-003995C1DEF8
11
Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seïra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66EC94E2-611A-46B6-B345-E14839A3A0DA
12
Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AB45A18-2D55-4BAF-97B9-B0B3684C5DB2
13
Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12806221-E5B7-4F37-93F3-498DA1C172D9
14
Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|157D26E1-8F67-40B1-8CDF-F371B49D94B1
15
Dia nirehitra tamin'i Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy hoe: Nahoana hianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tànanao aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59A8A0E8-F766-44FE-872D-9CF4A9FA2CCB
16
Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona hianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany hianao ka tsy nihaino ny anatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0818A082-FB9E-49CB-9EC9-9C4C95FBFAB5
17
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka taminy amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9C62EE6-67CA-4A39-8050-9409241EC0BC
18
Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakao-vavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CE3B945-7AD4-483B-8B8E-C45788870556
19
Lazainao fa namely an'i Edoma hianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F723DC2-83EB-41DD-AB94-3F2BF929D01D
20
Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90BF5850-A1E4-4945-BFC2-E6C79EFDCABE
21
Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D72ABDF7-70C5-4D37-BFC5-F90D088FE37A
22
Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAFBF7F5-8A11-4A8C-B6AF-4EFB9D1464A3
23
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny màndan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B20E7B4-7B06-4C1F-B14E-BC9EA2C7FBAB
24
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E97CFDCE-3B90-4C90-BFC7-27A13FF0994D
25
Ary ny andro niainan'i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5190DF7F-0CC8-47F5-8FA9-D25877685126
26
Ary ny tantaran'i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|849A14F1-8F99-4DC5-9035-79D447735D08
27
Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1BA05C0-F52A-4286-A614-5DB05A0F3E54
28
Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F358FD9A-22B8-4CB5-AEC2-811C20A12152
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany