Andininy
Protestanta Malagasy
1
Roa-Polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E06952B-0C34-472A-B29E-38B0D5D9036F
2
fa nandeha tamin'ny làlan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an'ireo Bala koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C53B0DA6-5734-4A91-86A3-A148D0B5CF48
3
Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F2889C4-3939-47A7-974E-BE33E63C9A8F
4
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny an-tampon'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A8BD19-DB11-48AD-B5FE-FA97164278CF
5
Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F864984-15FE-418E-BD89-653A3FA52D26
6
Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10A04BF9-6E1A-43E1-AF13-A224ED80A881
7
Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41C1DDC1-A9D9-44E3-AD6D-2CABCD5E7791
8
Ary ny Zanak'Isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AA80FA0-2615-4336-8591-C954DAF6B627
9
Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tànanareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665B4AE9-08EA-4F48-9104-DC5D6F8A4C8C
10
Ary ankehitriny ny taranak'i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovavinareo; ka moa hianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin'i Jehovah Andriamanitrareo koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD08A2BE-B6E6-4155-A6AC-153C2046B652
11
Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin'ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D22915F-02E7-4B88-B2B3-720F69B4808E
12
Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin'ny taranak'i Efraima, dia Azaria, zanak'i Johanana, sy Berekia, zanak'i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak'i Saloma, ary Amasa, zanak'i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A2FA1D-35BC-4C09-A67A-5AF5A1C91F8A
13
ka nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra babo eto hianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika hianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E62725B-9DC5-463C-AF8D-2E591D0B8C8D
14
Dia nalefan'ny miaramila teo anatrehan'ny mpanapaka ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|029A18A8-1983-4762-8087-5F88D22E0684
15
ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia,[palma.] ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C59A74F7-C5FE-4FDE-8A47-C184EA1D188C
16
Tamin'izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B8A5A4A-7347-4A6B-9B64-46A8C78E5ECB
17
Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8896560-F5EB-4847-A864-647267B3CC20
18
Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka[Heb. Sefela.] sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD03A237-6CAF-461E-9E82-A6450A0BA67A
19
Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BB51BD8-10E1-4FCC-AB15-F87C28122310
20
Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF8EC89-9C7B-47D7-9893-DE50A931F779
21
Fa efa nalain'i Ahaza ny zavatra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka sy ny an'ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan'i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFCF039A-5123-49F6-9C3C-7C8661FBBEA2
22
Ary tamin'ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso tamin'i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1782841-E0F2-4865-BAE8-55E1333F8E7B
23
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB31E56B-3E59-45BA-B696-AF83162BE0D9
24
Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dàlana rehetra tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B2CEE4-8269-425A-AE0E-F742281FE5A0
25
Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0DACCB9-ADAB-4CC5-86FA-ACA768D416F3
26
Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB90911D-E9AA-4D68-AF1A-344F7CC5D793
27
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E00D9BBE-CCBC-4B53-95D3-96D9C8F886EC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany