Andininy
Protestanta Malagasy
1
Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB00280-9E14-436F-8C6B-DC886E33C2BF
2
Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny làlan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1279A608-D2FA-4D02-8351-C6F3EC8BD96B
3
Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE7489ED-6981-4D84-AFC3-E86FA82F2E16
4
Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo[Na: tsangam-bato.] ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B911B464-0D9B-4147-9B61-C13AD891BAD0
5
Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA6A77A4-A577-46CB-A023-980482C14BCD
6
Ary tany amin'ny tanànan'ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DC8DD0E-25C9-4EE7-B0A8-F8B6A96D13F3
7
dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo[Na: tsangam-bato.] ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9015980B-86C2-453A-9C36-63A1CD3B45E2
8
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an'i Safana, zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary Joa, zanak'i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hanamboatra ny tranon'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D7715B-25A4-4BFB-880C-991B9E11760A
9
Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827AB191-3486-4A1F-BB93-16A05FE2C6EA
10
Ary natolony ho eo an-tànan'ny lehiben'ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin'ny tranon'i Jehovah izany, ary natolotr'ireo kosa ho an'ny mpiasa izay niasa tao an-tranon'i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEC04E6-3D46-45D5-9746-07A2A2221274
11
dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20C52BA6-A646-473B-B24E-4CFC805AC1BF
12
Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia Jahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14B73E99-FA4D-4E8F-A27C-A4C1EBF668B1
13
dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|148A9F06-54A5-4BD3-A2E5-2BD8CCC63222
14
Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E7EB641-86B5-46E4-8DFA-51D81BC8C971
15
Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|224FA379-8586-4F94-A552-FD5FE79B353B
16
Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB3168E-5C48-4014-8A26-1D4896C97EA7
17
Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CBA9207-5C92-4C3A-9B56-A31E7CDD585D
18
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E468230-D4C4-4D8B-9453-B261F0281623
19
Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny tenin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65CB6684-3F2A-4A32-811E-EDE03C57F48A
20
sady nandidy an'i Hilkia sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Abdona, zanak'i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6738E2DF-77EC-4C7F-B1BA-EC7FD54712D9
21
Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEAC3B0F-46E6-4697-9167-37D62CEA9567
22
Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy), ary niresaka izany taminy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61A67B41-8716-4059-B139-15C5F811BC14
23
Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'izay lehilahy naniraka anareo taty amiko hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6F27278-9527-4338-A735-7F6E08FA814E
24
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin'ilay boky efa novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BA55554-B39F-424A-8C2E-0A0C34A31194
25
Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia haidina amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E7FE353-A115-4739-8247-F3CE26B6F89D
26
Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay efa novakinao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5A3F474-D323-4125-9CC5-A485EE2CF86A
27
satria nino anatra hianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, -- eny, satria nanetry tena teo anatrehako hianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D659D4D4-990E-4A99-8B68-ECDB6FFCFF37
28
Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao hianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D444E686-8C44-4967-864F-57D2C2F7D34E
29
Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon'ny Joda sy Jerosalema rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CFFA523-651E-4768-8CD1-E69DAE3ABD0D
30
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07D379C5-F75C-4106-A432-63B5642BA3FC
31
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatô ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A31C8001-5E69-4CAA-BB7D-C094F9B70A6B
32
sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CA6A4D6-05AA-408A-AF9B-D15ACAEAA1A3
33
Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'Isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD8DAAC7-E9C9-4E0C-BD08-436BBE0190B2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany