Ezra 10: 1-44

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo anoloan'ny olona marobe avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika ; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50D2AD0-DF33-4AF5-8A83-86CAA57536AB
2
Dia namaly Sekenia, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe : Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay ; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny isiraely ny amin'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BC021EF-280F-42E8-870A-C024D36A7420
3
Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika ; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|326C4C34-85F1-4A9C-82F3-8C1D28AF1E0F
4
Mitsangàna, fa adidinao izany ; ary indreto koa izahay eto aminao ; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA578DD7-F14F-4F02-86F3-A0132A9A988C
5
Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany, dia nianiana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C07CDD77-9047-44EA-99A4-19192D94EB28
6
Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba ; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53613EC7-9C9F-479B-AFF4-602F61326DFF
7
Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1007C864-7F78-4C56-AB98-EA20BAE27F5D
8
ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E9090B-DB43-42CD-8B52-14A222EE744B
9
Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faha-roapolo tamin'ny volana faha-sivy ; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B934801A-7969-417D-A7D7-46982DB70871
10
Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe : Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C53DC6E0-6FFC-40D8-AE39-C2666B45DCD9
11
Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony ; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52537E84-AFA6-4132-9E49-4EE56F1F1AD5
12
Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe : Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75EC45EE-62C3-42F8-B81B-D13A2A688F21
13
nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra ety ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E63CE5BD-9E6E-40B1-9616-7255679B43C4
14
koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankaty amin'izao fotoan'Andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CDBBD37-CBCF-4477-9000-70AB91BC0F3D
15
Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany ; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C43CF094-11DE-4325-B7F7-8707EB74E76F
16
Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany ; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany avy amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C919173B-D562-446C-BE0C-F5AB0E590F4F
17
Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|491A899E-CB93-4E31-8781-AB3068938813
18
Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao : Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CBFE381-C6B1-4988-A1C2-600ADFE92DA0
19
dia nanolo-tànana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondrilahy iray avy ho fanati-panonerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|996CF39B-F308-41E3-9F4C-7201DEA3245E
20
Ary ny avy tamin'ny taranak'imera dia Hanany sy Zebedia ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79F6A028-3C00-42BD-9FA5-1E783BD50335
21
ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|638DA043-CE7F-44FE-923E-D9DE2402094D
22
ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F91F9A0-F590-4362-93C1-A3CC3102F851
23
Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kekita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32F70A42-2249-49F0-BDB5-137D1A31F8E1
24
ary ny avy amin'ny mpihira dia Eliasiba ; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D655A9DC-04A3-4279-88EE-A55565143E8A
25
Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa ; ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E76B90-208C-4CB5-A804-3375AD86983C
26
ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|418B25F0-1E4E-4AB2-A135-81EA24FA2D00
27
ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA0AA475-0C76-4175-BF88-B272B2294294
28
ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD43BBC9-F14E-43BB-9656-7C0738F71B78
29
ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD7AE07D-6E0A-4469-B16F-E7DA555BED89
30
ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-Moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D5CD7B0-9B05-4D73-9F4B-29DCAF9BB233
31
ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F27868-5B7C-490A-98B5-0F404F3EA937
32
sy Benjamina sy Maloka ary Semaria ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F68CA58B-0991-4715-921F-3CC22847DA10
33
ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3C93C8D-0465-47AF-AFEC-F04257D3537E
34
ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98721A41-EC0F-48F1-8ADD-090056D421A4
35
sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD3ABA6-859B-4E0D-B682-B1D43D68D06E
36
sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE9386E5-2FC6-4015-8FE3-E25E58D806B4
37
sy Matania sy Matenay sy Jasao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC22F78F-BDCD-40A7-B149-B20394F71E0B
38
sy Bany sy Binoy sy Simey
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26315A6-F5FD-4600-BA4B-738845125BA3
39
sy Selemia sy Natana sy Adaia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D1E5713-19CC-405B-BCA2-35080C4F5E47
40
sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D32FD2-E2E4-4243-974E-D52C722D131C
41
sy Azarela sy Selemia sy Semaria
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E55F3825-3126-4172-8052-721B42AB0E81
42
sy Saloma sy Amaria ary Josefa ;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38327443-FC13-41D1-85CA-7FCCC1266E8E
43
ary ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35EF4088-1906-49B4-AF07-6E8E1462EFE1
44
Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAE11E73-47A0-4EC6-BAFC-761DD7F233F4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany