Ezra 4: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40DABF62-D2A0-4E37-9A7C-D2FA4F4F79E8
2
dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anao aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8475A5EE-F5F6-4043-8B52-9D25BF5E29B6
3
Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny naman'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7008DE79-A730-4B37-BC2A-66E454846D43
4
Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tànana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FFBA769-97AD-499D-8B26-7F51085A29F7
5
sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD192D45-70EA-4D82-9DCF-996B9FB20D4A
6
Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECB77284-65DF-4D16-94A1-F6B044E7EAED
7
Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CE2674F-54FB-41F7-8572-B5929FA11D6D
8
Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|921FA4C0-809F-4645-B28C-D589A05D9121
9
Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaia, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37805544-B5FC-47CB-87DC-0272C7CFDD0B
10
mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany ety an-dafin'ny ony ety . . . . .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4575AA27-727B-47C8-888F-7D39E2A6C28D
11
Izao no teny amin'ny taratasy nampitondrainy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka: Ny lehilahy mpanomponao ety an-dafin'ny ony ety . . . . .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C651121-19AE-44AB-A0CF-2865C6E40DBF
12
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ny Jiosy, izay niakatra avy tany aminao hankaty aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka manamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, dia mahavita ny màndany izy izao ary manamboatra ny fanorenany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0386D20-9E10-4DA5-808D-B67978793876
13
Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hitsangana indray ny màndany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5496FBF0-323D-4248-B623-7544B0365CC2
14
Koa satria mahazo ni fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2662B2F-AA7D-4619-AC18-1BFEE4A361B9
15
mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka nahafatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6683215-4BE5-4701-9796-92EF770308D7
16
Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny màndany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny ety an-dafin'ny ony ety intsony hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A48447C7-F9DB-4258-8255-9CC5EE6ACB70
17
Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana . . . . .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14AC29AD-CBFC-40BA-9214-8AF3B1448DEC
18
Ny taratasy izay nampitondrainareo ho aty aminay dia efa voavaky tsara eto anatrehako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18A4942C-CEDD-4FF0-AC0C-895F883201DB
19
ary izaho nandidy, ka nasaiko nizahana, dia hita fa nanandra-tena nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fihodinana niseho teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB06D060-A64D-4E14-BFC5-C450E1B02A37
20
Ary efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony ka nandoavana hetra sy haba ary sara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D41920F-3019-4B4A-A6C4-960A94F6A1D0
21
Koa dia manaova didy hampitsahatra ireo olona ireo, mba tsy hamboarina io tanàna io, raha tsy mahazo teny avy aty amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B2702BC-5A57-4F0D-A752-64BBE09EAA76
22
Ary tandremo tsara, fandrao misy tsy vitanareo izany; fa nahoana no havela handroso ny ratsy ka hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7727FA5A-69D5-4882-9D94-A84A9B0A9122
23
Ary rehefa voavaky teo anatrehan-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany ny taratasin'i Artaksersesy mpanjaka, dia niakatra faingana ho any Jerosalema ho any amin'ny Jiosy izy ka nampitsahatra azy an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3370F5CD-C85C-4794-8383-056DBF0B287B
24
Dia natsahatra tsy natao ny tranon'Andriamanitra, izay tany Jerosalema; ary mbola nitsahatra ihany izany hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903DE1AE-9719-49AF-8606-CFBA9CED056E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany