Ezra 5: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C8F58F8-C035-466C-9F1F-0DD62432756F
2
Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7E9ECF1-B6F1-469E-8480-B80313980D25
3
Ary tamin'izany andro izany koa dia nankany aminy ireo Tatenay, governoran'ny ety an-dafin'ny ony ety, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io mànda io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|842E042A-61AB-4FFF-89B7-9077ECA0314A
4
Ary izao koa no nataonay taminy: Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|835120E1-F317-408A-A981-9F2CBD829800
5
Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D924819-0813-4F40-A235-C951FEC23AA5
6
Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny ety an-dafin'ny ony ety, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny ety an-dafin'ny ony ety; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56B5E4CD-F74C-4028-9D8D-46EED030BB6D
7
eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9ABD96A-706F-4002-8E71-322F93679B3B
8
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|176150E1-1F91-43A7-9BCF-861741E50BBF
9
Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io mànda io?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01FF9E3B-DFB0-4C7A-B836-6BD9806D6F1B
10
Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B71751E-30A8-4595-A928-04A152D4D894
11
ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C5D89B6-F5BD-44BD-BEC4-37879A124FA5
12
Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C54D2FA2-A35A-4CA1-B0AA-9BE6984BB39F
13
Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90459D4-4103-4C74-9E6A-623B70B83B65
14
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F07A2325-B7F0-4D35-A8CC-94DC87A7BC3D
15
ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C42EFF9-04EB-4D79-9947-55CA1B9F486C
16
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E00E8F6-F6FE-464F-8059-932F97F21797
17
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C675731-9F43-4E5D-AA02-DD8C5FCF8F42
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany