Andininy Protestanta Malagasy 1 Ny tantaran'i Nehemia, zanak'i Hakalia. Tamin'ny volana Kisleo tamin'ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BC730F4-B042-4356-9612-52C321C12A63 2 dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|731D495E-D390-4B9A-BC2D-C2B1AFF42E91 3 Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin'ny fahababoana izay any amin'ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan'i Jerosalema sady nodoran'ny afo ny vavahadiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77A21CED-5AC6-4F7E-A877-7DB945ACB05E 4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF74F4AE-810F-4709-ACB1-65854819E134
|