Andininy
Protestanta Malagasy
30
dia samy nikambana tsara tamin'ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan'Andriamanitra, izay nampilazaina an'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatô ny didy rehetra izay nataon'i Jehovah Tompontsika mbamin'ny fitsipika sy ny lalàny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDCA92F-7B71-433C-B5C9-104486FC9EF7
31
ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin'ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin'ny zanakai-lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32848FDD-959E-4AE8-B2D1-40A9F3615501
32
tsy hividy zavatra amin'ny andro Sabata, na amin'izay andro masina, raha misy entana na vary entin'ny tompon-tany hamidy amin'ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin'ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DF48EB1-9812-4557-BAE7-13E0D01A8F81
33
Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon'Andriamanitsika:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38061F3E-E9FA-4293-B8A5-77D2CFA5647F
34
dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9812C910-3C30-47EE-9E2C-73D523E7F31B
35
Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D109261-D9A6-4D45-84B2-B1C381E44AAE
36
ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D830DD1-D2A6-44B3-ACC4-F034338392EF
37
ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDB9100D-987F-4430-9813-4428BC81C6E7
38
ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5805B3E3-F4FA-4563-A0B4-15B9C37E0DC1
39
Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3A2D647-F5E8-4A7F-8548-60D34126221D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany