Andininy
Protestanta Malagasy
27
Ary rehefa hitokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin'ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin'ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE89E88B-AA19-467B-9D35-A86B502CD5F2
28
Dia niangona ny mpihira avy tamin'ny tany lemaka manodidina an'i Jerosalema sy ny avy tamin'ny vohitry ny Netofatita
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9518638B-D493-4B19-A915-A952D3C3C99B
29
sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A1832E8-AD89-4174-AAE7-87F121E6C79F
30
Ary ny mpisorona sy ny Levita samy nanadio ny tenany, ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CA43EBD-201E-4324-994F-AC59EFD73FEF
31
Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A82218E-E2EC-4270-A0AF-54CB6CF8716D
32
ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9534736-A80C-4859-BD05-E541DD484EA5
33
dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1B1AC9D-2EE1-44DF-A48D-5F3F9EF8396B
34
sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4689781D-C21B-4CA1-9AA2-B9A189B32DA8
35
ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E167247-BF6F-415C-9147-773565688F15
36
mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89C90DDD-8B5A-413B-AE78-B522C38F674C
37
Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F29438-DEE6-49E7-A6A5-79A46A71FFCF
38
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D25C8821-703C-44EC-8D19-4E1C4E64F3B0
39
ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC8DA56-6C49-48B5-9AEF-6D595849B4DD
40
Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28651729-E47B-46EE-B31A-488030265D6F
41
ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F2E6505-F2DE-4B84-B0D9-299501344C11
42
ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC1860E-B252-44A0-A16A-F6ADA35713EC
43
Dia namono zavatra betsaka hatao fanatitra tamin'izany andro izany izy sady nifaly, fa Andriamanitra nampifaly azy indrindra; ary ny vadiny aman-janany nifaly koa; ka dia re lavitra ny fifaliana tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5735751A-929C-4195-A36E-F1EA90BFC956
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany