Andininy
Protestanta Malagasy
31
Dia nasaiko niakatra eo ambonin'ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin'ny ankavanana teo ambonin'ny manda ho amin'ny vavahadin-jezika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A82218E-E2EC-4270-A0AF-54CB6CF8716D
32
ary nandeha nanarakaraka azy Hosaia sy ny antsasaky ny andriandahin'ny Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9534736-A80C-4859-BD05-E541DD484EA5
33
dia Azaria sy Ezra sy Mesolama
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1B1AC9D-2EE1-44DF-A48D-5F3F9EF8396B
34
sy Joda sy Benjamina sy Semaia ary Jeremia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4689781D-C21B-4CA1-9AA2-B9A189B32DA8
35
ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E167247-BF6F-415C-9147-773565688F15
36
mbamin'ny rahalahiny, dia Semaia sy Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela sy Joda ary Hanany, nitondra ny zava-manenon'i Davida, lehilahin'Andriamanitra; ary Ezra mpanora-dalàna nandeha teo alohan'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89C90DDD-8B5A-413B-AE78-B522C38F674C
37
Ary hatreo amin'ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin'ny ambaratongan'ny Tanànan'i Davida, tamin'ny fiakarana amin'ny manda eo ambonin'ny tranon'i Davida ka hatramin'ny vavahadin-drano eo atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F29438-DEE6-49E7-A6A5-79A46A71FFCF
38
Ary ny mpanao fiderana irai-dia kosa dia nandeha nifanandrify taminy sady narahiko sy ny antsasaky ny olona teo ambonin'ny manda hatreo ambonin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana ka hatramin'ny manda lehibe,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D25C8821-703C-44EC-8D19-4E1C4E64F3B0
39
ary hatreo ambonin'ny vavahadin'i Efraima ay teo ambanin'ny vavahady taloha ary teo ambonin'ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin'ny vavahadin'ondry; ary nilanona teo amin'ny vavahadin-trano-maizina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC8DA56-6C49-48B5-9AEF-6D595849B4DD
40
Dia nijanona tao an-tranon'Andriamanitra izy roa tonta, ary izaho koa sy ny antsasaky ny mpanapaka izay niaraka tamiko
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28651729-E47B-46EE-B31A-488030265D6F
41
ary ny mpisorona, dia Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria ary Hanania, nitondra trompetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F2E6505-F2DE-4B84-B0D9-299501344C11
42
ary Mahaseia sy Semaia sy Eleazara sy Ozy sy Johanana sy Malkia sy Elama ary Ezera. Ary nihira mafy ny mpihira sy Jizrahia, mpifehy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC1860E-B252-44A0-A16A-F6ADA35713EC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany