Andininy
Protestanta Malagasy
44
Ary tamin'izany andro izany dia nisy olona notendrena hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara voadidy ho an'ny mpisorona sy ny Levita avy amin'ny saha manodidina ny isan-tanana; fa nifalian'ny Joda ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46ACECBD-8D4E-4EA2-B7DE-3B38982E72C7
45
Dia nitandrina izay nasaina hotandremany ny amin'Andriamaniny sy ny amin'ny fanadiovana izy; ary toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, araka ny didin'i Davida sy Solomona zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2981485-6C44-44CC-91C4-D8E911403C2D
46
Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B039184A-E6EE-46C1-9783-42EE95F84679
47
Ary ny Isiraely rehetra tamin'ny andron'i Zerobabela sy Nehemia nanome ny anaran'ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, dia ny anjarany isan'andro; ary nanokana izay ho an'ny Levita izy; ary ny Levita kosa nanokana izay ho an'ny taranak'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0EE677D-3BB7-4F3A-AD82-C7130A1466E1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany