Nehemia 13: 1-9

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4591224B-25C0-4831-BDDB-1E3982CC8036
2
satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C39F2279-D830-45BA-8E6D-9FD97335B0C2
3
Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2181005-718D-4389-B2CB-7D3F7B4029B8
4
Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|132EB2CC-8DC1-49CB-8097-DAC182F77BFE
5
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634EDF0F-A7A8-4366-9A63-8C5551350172
6
Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE527FD-D64E-4003-991E-88A4E5DF3DEE
7
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2EC132D-1BAA-47BA-8E88-02DD3D47CFB1
8
Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B176BCE-F924-4E71-88E3-51004262E117
9
Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A0D2BA3-7BD3-4ACB-B0E4-21F0C5A7DEC3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany