Nehemia 13: 10-14

Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B4C4910-DFF3-4C21-80DB-5A5517CEC61A
11
Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E149E32-FBC8-417F-BF47-DA4EEB398758
12
Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|789FC77F-C227-445F-BB84-0A2C2C1835BE
13
Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DF2F7D8-2005-4FB9-94C6-6720E9CD6C6D
14
Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5920E16B-22FF-4624-92CD-B0977B9DE4AA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany