Andininy
Protestanta Malagasy
11
Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C81C77C8-30AE-47B6-8D51-2A33B2EEDBE6
12
Ary nifoha tamin'ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C736289-82C3-4A6F-95F1-93C9AC4CA313
13
Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, tandrifin'ny loharanon'ny dragona, sy tamin'ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan'i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE2E815-AB39-4C43-A0F4-380BC3B14D11
14
Dia nankany amin'ny vavahadin-doharano sy ny farihin'ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EBD11F2-22B3-412A-9DB1-59F924D852C8
15
Dia niakatra teo amin'ny lohasahan-driaka aho tamin'ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin'ny vavahady mankany amin'ny lohasaha, dia niverina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|977517C2-AC2D-48BB-957F-A2EC40E022BF
16
Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin'izay dia tsy mbola nolazaiko tamin'ny Jiosy izany, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny manan-kaja, na tamin'ny mpanapaka, na tamin'ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAE253F4-A26B-4471-81E3-037221AB4396
17
Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika , fa rava Jerosalema ary nodoran'ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA4F5804-BEA2-4864-93D0-D827FE8285FF
18
Dia nambarako azy ny tànan'Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin'ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23DBD4BE-917D-4AE3-BE67-FEE51795B5BD
19
Fa nony ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B542681E-E7B7-40F2-BCFA-491FE6A1BC20
20
Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana akory, aty Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4705CBD-FED7-4917-9CED-BBBD2AD74867
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany