Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin'ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin'ny tilikambo Hamea ka hatramin'ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E67A3599-E5F2-4CB1-8C23-6F921217650B
2
Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak'Imry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA583145-3C3C-4DD4-81ED-A21A64B8B012
3
Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak'i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14F96773-B808-4AFB-A6E5-10981F44D4A2
4
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak'i Oria, zanak'i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, zanak'i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak'i Bana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BECCA3F9-FDB2-4CBA-AC03-6F2BBB3F6999
5
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin'ny fanompoana ny Tompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991EE742-589E-442C-98DB-07CC4BE7E842
6
Ary ny vavahady taloha dia namboarin'i Joiada, zanak'i Pasea, sy Mesolama, zanak'i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA57C77-525E-4E46-A8F1-165EDBBD706C
7
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin'ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin'ny seza fiandrianan'ny governora ety an-dafin'ny ony ety.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B126C4CD-44B1-4ABB-866E-B53044D6068C
8
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak'i Haraia, isan'ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan'ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an'i Jerosalema izy hatramin'ny mandà lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0040BB9F-1C63-4BAF-8343-8868B07E4B01
9
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak'i Hora, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F470AB34-B2E1-465C-A826-76F0828C11C7
10
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak'i Haromafa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak'i Hasabnia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7395C2BD-CE07-4F7D-B470-849376677C5D
11
Ny sasany koa mbamin'ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin'i Malkia, zanak'i Harima, sy Hasoba. zanak'i Pahatamoaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E67FA99C-74D3-4B6B-AF91-924204762E47
12
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBC8CDF6-23C8-4AE2-9289-6AAA397AB4F3
13
Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F428C430-A333-4B3A-A1DE-744750A31E4A
14
Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81F2C09F-0ADC-466C-B00F-7115233266F4
15
Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8446B2B8-AE98-4BC1-82EA-AB51EB4FB131
16
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81B044A3-A3C5-424E-8C69-7409F2F6D0F5
17
Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|268AF078-9D23-4F97-AB84-DFADB2B3FBC0
18
Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak'i Henadada, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD8E626-4522-4017-A983-03DB29C1F23C
19
Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin'i Ezera, zanak'i Jesoa, komandin'i Mizpa, teo amin'ny tandrifin'ny fiakarana ho any amin'ny trano fitehirizam-piadiana eo amin'ny fiolahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0A526EA-88F0-4E16-954B-06E889227BAC
20
Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak'i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin'ny fiolahana ka hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA870CFE-B3FF-4384-B67A-3D014D9E7B04
21
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Meremota, zanak'i Oria, zanak'i Hakoza, hatramin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba ka hatramin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F49985C-866C-41E4-908C-AAE9858E9F8D
22
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin'ny tany lemaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|015AB695-1ABF-4B86-A96D-557694615BBC
23
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin'ny tandrifin'ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak'i Mahaseia, zanak'i Anania, teo anilan'ny tranony ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3E2B399-863B-49BF-837A-8C9700A3C9E8
24
Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin'i Binoy, zanak'i Henadada, hatramin'ny tranon'i Azaria ka hatramin'ny fiolahana eo amin'ny zorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54156FE-09B1-47A4-8574-F046674CD395
25
Ary Palala, zanak'i Ozay, koa, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny fiolahana sy izay mandroso eo amin'ny tilikambo ambony, eo amin'ny ranon'ny mpanjaka, eo akaikin'ny tokotanin'ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak'i Parosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|346A41B3-4D9D-4F37-8753-035D4801F835
26
Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin'ny tandrifin'ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin'ny tilikambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|283D1215-0BB6-40C2-84EA-C5F9B100F321
27
Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin'ny Tekoita, teo amin'ny tandrifin'ny mandroso eo amin'ny tilikambo lehibe ka hatramin'ny mandan'i Ofela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A4D1DAD-E910-4B7B-9156-4BCF60F60CBA
28
Hatreo ambonin'ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin'ny mpisorona, dia samy ny teo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9233E6E7-FA9D-4E40-9F5E-A0806765D98B
29
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak'Imera, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E877977A-A76E-488E-8A40-F0785FEE670A
30
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin'i Hanania, zanak'i Setemia, sy Hanona, fahenin'ny zanak'i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak'i Berekia, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny efi-tranony ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0C88093-DA43-470A-9A1A-2E10CF8B1899
31
Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan'ny mpanefy volamena, hatramin'ny tranon'ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin'ny tandrifin'ny vavahady Mifikada ka hatramin'ny trano ambony teo an-jorony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EA57C3B-0FD6-49AC-9C56-2E94B5872E69
32
Ary ny teo anelanelan'ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin'ondry no namboarin'ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2C4B8D0-CF50-492C-81FE-87156C010752
33
Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A37AAA2-FE06-4079-A0DF-52AFE8EF4F0E
34
dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FDF4AF0-B518-4D37-B4B4-409BD96CE9A4
35
Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABA506E9-5AE5-42C2-A9C8-0B08543A595C
36
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3776D53F-EC71-434F-859B-247E360F9F82
37
Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D59DA39-EBBA-4E3D-A6BF-19F748F0025D
38
Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CE71C9A-AC2C-4333-BE95-7CAC7FD7772A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany