Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73077505-DF9E-4ECB-95EA-05BC759A5AA6
2
Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77AF3C32-D2B1-4DB8-A7B8-4B067DA1614E
3
Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38BE319F-5CF7-4EA8-8501-C1148BAF1D9F
4
Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EFF22BD-89DE-4B1B-96AD-D951949E6E0F
5
Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E15F789A-2409-4489-AE53-603F13BAFEBD
6
Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5457D7D0-6BFD-4CB1-9C25-9BFB47C799BB
7
Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E960D78-9BCB-458A-8597-C864E60E973C
8
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9956329-0899-44CB-901B-84B48A771E3B
9
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F4FE08D-103A-422A-93B0-E5BA44C9D7F6
10
Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF21E0B2-0A28-4CB5-B788-A71F78C527FD
11
eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C27BFE7-6BB8-4D96-BE2D-29E55A03C7F3
12
Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9D8A94D-8391-4B2B-99D6-1BB5FE2D4521
13
sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin'ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an'i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFF03AF3-B406-4948-86C0-CC8B00FA0E3D
14
Ary koa, hatramin'ny andro nanendrena ahy ho governora amin'ny tany Joda, dia hatramin'ny taona faharoa-polo ka hatramin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, dia roa ambin'ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman'ny governora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E232A1F-5153-49F9-BA2C-BD249D499493
15
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin'ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D263DE85-2C78-4933-BF7C-BBB2C77BA1E5
16
Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8B3A831-49D9-4F26-B2BF-E611383E21EE
17
Ary teo amin'ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin'ny firenena manodidina anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A530C3B-5D1B-4F8A-B1C8-198631CA9A5B
18
Ary ny namboarina ho ahy isan'andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman'ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF86FA52-74B5-4583-B021-F1A2ECF96B32
19
Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an'ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4876BFA3-8DE3-414E-979C-881B9FCA39AD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany