Andininy
Protestanta Malagasy
15
Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A7ABCFE-9CE2-40F8-BBBD-322B2BFB3528
16
Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32E4DB8B-9C3E-4456-AFC2-7AD1113E967A
17
Ary tamin'izany andro izany ny manan-kaja amin'ny Joda dia nampitondra taratasy maro ho any amin'i Tobia, ary ny avy tamin'i Tobia kosa tonga tany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A97BF30A-BD2A-42B7-B348-A27D2A75F22C
18
Fa nisy maro tany Joda efa nianiana niray tetika taminy, satria vinanton'i Sekania, zanak'i Ara, izy; ary Johanana zananilahy efa nanambady ny zanakavavin'i Mesolama, zanak'i Berekia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EF29193-38AB-4649-BD1B-3F5E8CB5B9F8
19
Ary nisy koa teo anatrehako nilaza ny soa nataony ary nilaza ny teniko tany aminy kosa. Ary Tobia kosa nampitondra taratasy hampitahotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14609D01-AA46-4DA0-B816-EA3B6BF54F00
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany