Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEF032BE-1E2A-42C4-946E-7109FD99B43D
2
dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9061519E-5668-48C1-BA8D-C439E8242F4A
3
Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38EF549E-75CF-447D-8BA0-1C5767265469
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany