Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary nony ampitson'iny dia vory teo amin'i Ezra mpanora-dalàna ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A4C99CB-0425-4BFC-874E-0CDB68A83DED
14
Dia hitany voasoratra teo amin'ny lalàna, izay nampandidian'i Jehovah an'i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo ny Zanak'Isiraely amin'ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1155439-96ED-4A30-9C28-B2F3DFB1C0C2
15
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD585F9-0191-4E41-8BFD-1A82F2899274
16
Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BDDBB96-E84D-42FF-AE3A-78D3E8445BEC
17
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D738292E-BC2F-43E3-AA6E-0A3B5BB9AA90
18
Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AC064F2-5FAE-4B2F-8067-BAC64910E61A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany