Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7283B40A-CDF0-407E-A991-5335D7EA11AA
10
Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B7AD58D-18A2-48B1-AF73-466FDE10ED30
11
Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E11000B8-8A0C-4F20-BCAC-CF31D54CF693
12
Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an'ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B5BDD6C-8726-455F-8DCD-65DB935466F7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany