Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E163E31-D574-40FF-BAE3-93ED7581B127
2
Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49847718-2EA1-4EFC-84D2-CC38D0C02A0C
3
Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36FE363A-9F23-4E28-90C7-0811DA487010
4
Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2524BFBF-24C7-4EE1-925E-282DDE112983
5
Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F3F179C-A8D8-4AFA-ADE6-831E804BA7A6
6
Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A79247FE-9333-4E9F-8669-8F4E3ECDD1BA
7
Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69FA2731-A453-43FE-A88A-71C449382201
8
ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F69E60-DA78-446C-8930-5255ECA146E3
9
Ary nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron'ny Ranomasina Mena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52084DDA-6E74-4ED8-AD67-A64AE12EA419
10
dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A598FF0-9DEF-4368-8984-EC4F414719A4
11
Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina tahaka ny vato amin'ny rano manonja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E9A258B-8399-4476-ABDC-41A91DC97411
12
Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B629D9B8-FE26-4597-B661-024023E3FE91
13
Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5B7B85-D805-4B11-BD07-35D460D4FD14
14
Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|767183CF-AD19-4C4D-AC66-A402A0BEA58F
15
ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5462C7F6-7921-4CDE-AC7E-DC5FB958E3AD
16
Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17DCE5DC-4CCE-43DD-A200-605AD4DFC797
17
ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|601B069C-D76A-4E58-9018-707ADD09AC62
18
Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1316F645-79F4-42A7-97A7-21F7A6B0319F
19
kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C21D64-4217-4872-8A90-C74CBC611697
20
Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57BF3643-DF16-47DD-8F24-B4532C5E833D
21
eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD514484-F389-42FB-B2B4-650B07036713
22
Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FCAAE1A-7F1D-44A3-A022-1F107F06E458
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany