Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'izany volana izany dia niangona ny Zanak'Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E163E31-D574-40FF-BAE3-93ED7581B127 2 Dia niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny taranak'Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49847718-2EA1-4EFC-84D2-CC38D0C02A0C 3 Ary nitsangana teo amin'ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Jehovah Andriamaniny tamin'ny ampahefatry ny andro; ary tamin'ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36FE363A-9F23-4E28-90C7-0811DA487010 4 Ary Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany dia nitsangana teo ambonin'ny lampihazon'ny Levita ka nitaraina mafy tamin'i Jehovah Andriamaniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2524BFBF-24C7-4EE1-925E-282DDE112983 5 Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F3F179C-A8D8-4AFA-ADE6-831E804BA7A6 6 Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A79247FE-9333-4E9F-8669-8F4E3ECDD1BA 7 Hianao no Jehovah Andriamanitra, Izay nifidy an'i Abrama ka nitondra azy nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana sady nanao ny anarany hoe Abrahama; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69FA2731-A453-43FE-A88A-71C449382201 8 ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F69E60-DA78-446C-8930-5255ECA146E3 9 Ary nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta koa Hianao sady nandre ny fitarainany teo amoron'ny Ranomasina Mena, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52084DDA-6E74-4ED8-AD67-A64AE12EA419 10 dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A598FF0-9DEF-4368-8984-EC4F414719A4 11 Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina tahaka ny vato amin'ny rano manonja. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E9A258B-8399-4476-ABDC-41A91DC97411 12 Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B629D9B8-FE26-4597-B661-024023E3FE91 13 Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5B7B85-D805-4B11-BD07-35D460D4FD14 14 Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|767183CF-AD19-4C4D-AC66-A402A0BEA58F 15 ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5462C7F6-7921-4CDE-AC7E-DC5FB958E3AD 16 Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17DCE5DC-4CCE-43DD-A200-605AD4DFC797 17 ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|601B069C-D76A-4E58-9018-707ADD09AC62 18 Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1316F645-79F4-42A7-97A7-21F7A6B0319F 19 kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C21D64-4217-4872-8A90-C74CBC611697 20 Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57BF3643-DF16-47DD-8F24-B4532C5E833D 21 eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD514484-F389-42FB-B2B4-650B07036713 22 Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin'i Sihona sy ny tanin'ny mpanjakan'i Hesbona ary ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FCAAE1A-7F1D-44A3-A022-1F107F06E458 23 Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15138386-A997-4EE2-AD8F-36BEB3457D6C 24 Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B6F0410-6C35-4B0A-A024-90CF00366AC9 25 Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D448A34A-8F55-4F5A-8BEA-B2D104D262EA 26 Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|651F753E-F9C0-4188-A926-1C3B25F857EC 27 Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C14F974-402F-4501-A104-D0BF416D1D45 28 Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77395A6E-8E32-401A-A5C2-B408CFF03F5F 29 Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatô azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DEB61F1-405F-4033-8825-86D2F9DC437D 30 Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3453669-CAA1-4CD3-A955-145BC6F879CC 31 Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16F9ABE5-4FAF-49DA-8B73-A0BF1C17D225 32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8398A583-C62B-447D-B1B0-DE0406A371B8 33 Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D2C26C4-452E-4999-AAED-66D9BC743C9E 34 ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66C3F41D-999E-4722-AE74-895DEE98BD63 35 Fa tsy nanompo Anao teo amin'ny fanjakany izy sy teo amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4C73E64-97AD-468B-A206-5AFD7D68F79C 36 Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F312712A-B63F-48EC-B24D-17EEC838C262 37 ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA45C4CF-9896-43E4-8581-D7EF9985C666
|